1 Cyfiawn wyt, ARGLWYDD, pan ddadleuaf � thi; er hynny, gosodaf fy achos o'th flaen: Pam y llwydda ffordd y drygionus, ac y ffynna pob twyllwr?
1[Ny fitarainana nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
2 Plennaist hwy, a gwreiddiasant; tyfant a dwyn ffrwyth. Yr wyt ar flaen eu tafod, ond ymhell o'u calon.
2Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony.[Heb. voany]
3 Ond yr wyt yn f'adnabod i, ARGLWYDD, yn fy ngweld, ac yn profi fy meddyliau tuag atat. Didola hwy fel defaid i'r lladdfa, a'u corlannu erbyn diwrnod lladd.
3Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin'ny andro hamonoana.[Heb. hamasino]
4 Pa hyd y galara'r tir, ac y gwywa'r glaswellt ym mhob maes? O achos drygioni y rhai sy'n trigo yno, ysgubwyd ymaith anifail ac aderyn, er i'r bobl ddweud, "Ni w�l ef ein diwedd ni."
4Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
5 "Os wyt wedi rhedeg gyda'r gwu375?r traed, a hwythau'n dy flino, pa fodd y cystedli � meirch? Ac os wyt yn baglu mewn gwlad rwydd, pa fodd y llwyddi yng ngwlad wyllt yr Iorddonen?
5Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana?[Heb. ny reharehany]
6 Oherwydd y mae hyd yn oed dy dylwyth a'th deulu dy hun wedi dy dwyllo; buont yn galw'n daer ar dy �l; paid �'u coelio, er iddynt ddweud geiriau teg wrthyt.
6Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.
7 Gadewais fy nhu375?, rhois heibio fy nhreftadaeth, rhois anwylyd fy nghalon yn llaw ei gelynion.
7Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony.
8 Aeth fy nhreftadaeth yn fy ngolwg fel llew yn y coed; y mae'n codi ei llais yn f'erbyn; am hynny yr wyf yn ei chas�u.
8Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
9 Onid yw fy nhreftadaeth i mi fel aderyn brith, a'r adar yn ymgasglu yn ei erbyn? Casglwch holl fwystfilod y maes, a'u dwyn i fwyta.
9Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
10 Y mae bugeiliaid lawer wedi distrywio fy ngwinllan, a sathru ar fy rhandir; gwnaethant fy rhandir dirion yn anial diffaith.
10Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;
11 Gwnaethant hi'n anrhaith, ac fe alara'r anrheithiedig wrthyf; anrheithiwyd yr holl wlad, ac nid oes neb yn malio.
11Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.
12 Daw dinistrwyr ar holl foelydd yr anialwch; y mae cleddyf yr ARGLWYDD yn difa'r wlad o'r naill ben i'r llall; nid oes heddwch i un cnawd.
12Ny mpandrava dia tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra.
13 Y maent yn hau gwenith ac yn medi drain, yn yml�dd heb elwa dim; yn cael eu siomi yn eu cynhaeaf, oherwydd angerdd llid yr ARGLWYDD."
13Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin'ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
14 Fel hyn y dywed yr ARGLWYDD am fy holl gymdogion drwg, sy'n ymyrryd �'r etifeddiaeth a roddais i'm pobl Israel i'w meddiannu: "Rwyf am eu diwreiddio o'u tir, a thynnu tu375? Jwda o'u plith.
14Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
15 Ac yna, wedi i mi eu diwreiddio, fe drugarhaf wrthynt drachefn, a'u hadfer bob un i'w etifeddiaeth a'i dir.
15Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
16 Os dysgant yn drwyadl ffyrdd fy mhobl, a thyngu i'm henw, 'Byw yw'r ARGLWYDD', fel y dysgasant fy mhobl i dyngu i Baal, yna sefydlir hwy yng nghanol fy mhobl.
16Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy;Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.
17 Ond os na wrandawant, yna'n sicr fe ddiwreiddiaf a llwyr ddinistrio'r genedl honno," medd yr ARGLWYDD.
17Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.