Welsh

Malagasy

Jeremiah

13

1 Fel hyn y dywedodd yr ARGLWYDD wrthyf: "Dos a phryn wregys lliain, a'i roi am dy lwynau; paid �'i ddodi mewn du373?r."
1[Ny hampietrena ny avonavon'ny Joda] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
2 Prynais wregys ar air yr ARGLWYDD, a'i roi am fy llwynau.
2Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
3 Daeth gair yr ARGLWYDD ataf eilwaith, a dweud,
3Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe:
4 "Cymer y gwregys a brynaist, ac sydd am dy lwynau, a dos i ymyl afon Ewffrates a'i guddio yno mewn hollt yn y graig."
4Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
5 Felly euthum a'i guddio wrth ymyl afon Ewffrates, yn �l gorchymyn yr ARGLWYDD i mi.
5Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy.
6 Ar �l dyddiau lawer dywedodd yr ARGLWYDD wrthyf, "Dos i ymyl afon Ewffrates, a chymer oddi yno y gwregys y gorchmynnais iti ei guddio yno."
6Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7 Euthum innau yno, a chloddio a chymryd y gwregys o'r lle y cuddiais ef; ac wele, yr oedd y gwregys wedi ei ddifetha, ac nid oedd yn dda i ddim.
7Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
8 Yna daeth gair yr ARGLWYDD ataf a dweud,
8Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
9 "Fel hyn y dywed yr ARGLWYDD: Felly y difethaf finnau falchder Jwda a balchder mawr Jerwsalem.
9Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema.
10 Fel y gwregys yma, nad yw'n dda i ddim, y bydd y bobl ddrygionus hyn, sy'n gwrthod gwrando ar fy ngeiriau, ond yn rhodio yn ystyfnigrwydd eu calon, ac yn dilyn duwiau eraill i'w gwasanaethu a'u haddoli.
10Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
11 Oherwydd fel y gafael gwregys am lwynau rhywun, felly y perais i holl du375? Israel a holl du375? Jwda afael ynof fi," medd yr ARGLWYDD, "i fod yn bobl i mi, ac yn enw, ac yn foliant ac yn ogoniant; ond ni wrandawsant.
11Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
12 "Dywed wrthynt y gair yma: 'Fel hyn y dywed ARGLWYDD Dduw Israel: Llenwir pob costrel � gwin.' A dywedant wrthyt, 'Oni wyddom ni'n iawn y llenwir pob costrel � gwin?'
12Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
13 Yna dywedi wrthynt, 'Fel hyn y dywed yr ARGLWYDD: Dyma fi'n llenwi'n feddw holl drigolion y tir hwn, yn frenhinoedd sy'n eistedd ar orseddfainc Dafydd, yn offeiriaid ac yn broffwydi, a holl drigolion Jerwsalem.
13Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.[Heb. feno]
14 Drylliaf hwy y naill yn erbyn y llall, rhieni a phlant ynghyd, medd yr ARGLWYDD; nid arbedaf ac ni thosturiaf ac ni thrugarhaf, eithr difethaf hwy.'"
14Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
15 Clywch a gwrandewch; peidiwch ag ymfalch�o, canys llefarodd yr ARGLWYDD.
15Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
16 Rhowch ogoniant i'r ARGLWYDD eich Duw cyn iddo beri tywyllwch, a chyn i'ch traed faglu yn y gwyll ar y mynyddoedd; a thra byddwch yn disgwyl am olau, bydd yntau'n ei droi yn dywyllwch dudew, ac yn ei wneud yn nos ddu.
16Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
17 Ac os na wrandewch ar hyn, mi wylaf yn y dirgel am eich balchder; fe ffrydia fy llygaid ddagrau chwerw, oherwydd dwyn diadell yr ARGLWYDD i gaethiwed.
17Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.
18 "Dywed wrth y brenin a'r fam frenhines, 'Eisteddwch yn ostyngedig, oherwydd syrthiodd eich coron anrhydeddus oddi ar eich pen.'
18Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
19 Caeir dinasoedd y Negef, heb neb i'w hagor; caethgludir Jwda gyfan, caethgludir hi yn llwyr."
19Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
20 Dyrchafwch eich llygaid, a gwelwch y rhai a ddaw o'r gogledd. Ple mae'r praidd a roddwyd i ti, dy ddiadell braf?
20Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
21 Beth a ddywedi pan roddir y rhai a ddysgaist yn feistri arnat, a'r rhai a fegaist yn ben arnat? Oni chydia ynot ofidiau, fel gwraig wrth esgor?
21Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
22 A phan feddyli, "Pam y digwyddodd hyn i mi?", yn �l amlder dy gamwedd y codwyd godre dy wisg, ac y dinoethwyd dy gorff.
22Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
23 A newidia'r Ethiopiad ei groen, neu'r llewpard ei frychni? A allwch chwithau wneud daioni, chwi a fagwyd mewn drygioni?
23Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.[Anaram-biby masiaka sady misoratsoratra]
24 "Fe'u chwalaf hwy fel us a chwythir gan wynt y diffeithwch.
24Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.
25 Hyn fydd dy ran, yr hyn a fesurais i ti," medd yr ARGLWYDD, "am i ti fy anghofio, ac ymddiried mewn celwydd.
25Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga.
26 Mi godaf odre dy wisg dros dy wyneb, ac amlygir dy warth.
26Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny henatrao.Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?[Izahao v. 8]
27 Gwelais dy anlladrwydd, dy odineb, dy weryriad nwydus, a budreddi dy buteindra ar fryn a maes. Gwae di, Jerwsalem! Ni fyddi'n l�n! Pa hyd, eto, y pery hyn?"
27Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?[Izahao v. 8]