Welsh

Malagasy

Job

11

1 Atebodd Soffar y Naamathiad:
1[Ny teny voalohany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 "Oni ddylid ateb y pentyrru hwn ar eiriau? A gyfiawnheir rhywun siaradus?
2Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
3 A wneir pawb yn fud gan dy faldorddi? A gei di watwar heb neb i'th geryddu?
3Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
4 Dywedaist, 'Y mae f'athrawiaeth yn bur, a dilychwin wyf yn d'olwg.'
4Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5 O na lefarai Duw, ac agor ei wefusau i siarad � thi,
5Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
6 a hysbysu iti gyfrinachau doethineb, a bod dwy ochr i ddeall! Yna gwybydd fod Duw yn anghofio peth o'th gamwedd.
6Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
7 A elli di ddarganfod dirgelwch Duw, neu gyrraedd at gyflawnder yr Hollalluog?
7Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an']
8 Y mae'n uwch na'r nefoedd. Beth a wnei di? Y mae'n is na Sheol. Beth a wyddost ti?
8Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]
9 Y mae ei fesur yn hwy na'r ddaear, ac yn ehangach na'r m�r.
9Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
10 "Os daw ef heibio, i garcharu neu i alw llys barn, pwy a'i rhwystra?
10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
11 Oherwydd y mae ef yn adnabod pobl dwyllodrus, a phan w�l ddrygioni, onid yw'n sylwi arno?
11Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]
12 A ddaw'r dwl yn ddeallus � asyn gwyllt yn cael ei eni'n ddyn?
12Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]
13 "Os cyfeiri dy feddwl yn iawn, fe estynni dy ddwylo tuag ato;
13Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
14 ac os oes drygioni ynot, bwrw ef ymhell oddi wrthyt, ac na thriged anghyfiawnder yn dy bebyll;
14Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
15 yna gelli godi dy olwg heb gywilydd, a byddi'n gadarn a di-ofn.
15Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
16 Fe anghofi orthrymder; fel du373?r a giliodd y cofi amdano.
16Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
17 Bydd gyrfa bywyd yn oleuach na chanol dydd, a'r gwyll fel boreddydd.
17Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
18 Byddi'n hyderus am fod gobaith, ac wedi edrych o'th gwmpas, fe orweddi'n ddiogel.
18Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.
19 Fe orffwysi heb neb i'th ddychryn; a bydd llawer yn ceisio dy ffafr.
19Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
20 Palla llygaid y drygionus, diflanna ymwared oddi wrthynt, a'u gobaith yw'r anadl olaf."
20Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.