1 "Yr wyf wedi alaru ar fy mywyd; rhoddaf ryddid i'm cwyn, llefaraf o chwerwedd fy ysbryd.
1Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
2 Dywedaf wrth Dduw, 'Paid �'m collfarnu i; dangos imi pam y dadleui � mi.
2Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.
3 Ai da yw i ti orthrymu, a throi heibio lafur dy ddwylo, a ffafrio cyngor y drygionus?
3Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?
4 Ai llygaid o gnawd sydd gennyt, neu a weli di fel y gw�l y meidrol?
4Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
5 A yw dy ddyddiau fel dyddiau dyn, a'th flynyddoedd fel blynyddoedd gu373?r?
5Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
6 Oherwydd yr wyt ti'n ceisio fy nghamwedd, ac yn chwilio am fy mhechod,
6No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
7 a thithau'n gwybod nad wyf yn euog, ac nad oes a'm gwared o'th law.
7Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
8 "'Dy ddwylo a'm lluniodd ac a'm creodd, ond yn awr yr wyt yn troi i'm difetha.
8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
9 Cofia iti fy llunio fel clai, ac eto i'r pridd y'm dychweli.
9Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!
10 Oni thywelltaist fi fel llaeth, a'm ceulo fel caws?
10Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
11 Rhoist imi groen a chnawd, a phlethaist fi o esgyrn a g�au.
11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
12 Rhoist imi fywyd a daioni, a diogelodd dy ofal fy einioes.
12Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
13 Ond cuddiaist y rhain yn dy galon; gwn mai dyna dy fwriad.
13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
14 Os pechaf, byddi'n sylwi arnaf, ac ni'm rhyddhei o'm camwedd.
14Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
15 Os wyf yn euog, gwae fi, ac os wyf yn ddieuog, ni chaf godi fy mhen. Yr wyf yn llawn o warth ac yn llwythog gan flinder.
15Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16 Os ymffrostiaf, yr wyt fel llew yn fy hela, ac yn parhau dy orchestion yn f'erbyn.
16Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17 Yr wyt yn dwyn cyrch ar gyrch arnaf, ac yn cynyddu dy lid ataf, ac yn gosod dy luoedd yn f'erbyn.
17Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
18 "'Pam y dygaist fi allan o'r groth? O na fuaswn farw cyn i lygad fy ngweld!
18Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
19 O na fyddwn fel un heb fod, yn cael fy nwyn o'r groth i'r bedd!
19Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20 Onid prin yw dyddiau fy rhawd? Tro oddi wrthyf, imi gael ychydig lawenydd
20Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21 cyn imi fynd i'r lle na ddychwelaf ohono, i dir tywyllwch a'r fagddu,
21Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
22 tir y tywyllwch dudew, y gwyll a'r fagddu, goleuni fel y tywyllwch.'"
22Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.