Welsh

Malagasy

Job

20

1 Yna atebodd Soffar y Naamathiad:
1[Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 "Yn awr, fe'm cynhyrfir i ateb; am hynny atebaf ar frys.
2Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]
3 Clywais gerydd sy'n fy nifr�o; y mae cynnwrf fy meddwl yn fy ngorfodi i ateb.
3Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
4 Onid wyt yn gwybod hyn? o'r dechrau, er pan osodwyd pobl ar y ddaear,
4Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,
5 byr yw gorfoledd y drygionus, ac am gyfnod yn unig y pery llawenydd yr annuwiol.
5Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44
6 Er i'w falchder esgyn i'r uchelder, ac i'w ben gyffwrdd �'r cymylau,
6Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
7 eto derfydd am byth fel ei dom ei hun, a dywed y rhai a'i gwelodd, 'Ple mae ef?'
7Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]
8 Eheda ymaith fel breuddwyd, ac ni fydd yn bod; fe'i hymlidir fel gweledigaeth nos.
8Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.
9 Y llygad a'i gwelodd, ni w�l mohono mwy, ac nid edrych arno yn ei le.
9Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
10 Cais ei blant ffafr y tlawd, a dychwel ei ddwylo ei gyfoeth.
10Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11 Y mae ei esgyrn sy'n llawn egni yn gorwedd gydag ef yn y llwch.
11Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]
12 "Er i ddrygioni droi'n felys yn ei enau, a'i fod yntau am ei gadw dan ei dafod,
12Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
13 ac yn anfodlon ei ollwng, ond yn ei ddal dan daflod ei enau,
13Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
14 eto y mae ei fwyd yn ei gylla yn troi'n wenwyn asb iddo.
14Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
15 Llynca gyfoeth, ac yna'i chwydu; bydd Duw'n ei dynnu allan o'i fol.
15Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 Sugna wenwyn yr asb, ac yna fe'i lleddir gan golyn gwiber.
16Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17 Ni chaiff weld ffrydiau o olew, nac afonydd o f�l a llaeth.
17Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18 Dychwel ffrwyth ei lafur heb iddo elwa arno; er cymaint ei enillion, ni chaiff eu mwynhau.
18Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19 Oherwydd gorthrymodd y tlawd a'i adael yn ddiymgeledd; cipiodd du375? nas adeiladodd.
19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20 Ni u373?yr sut i dawelu ei chwant, ac ni ddianc dim rhag ei wanc.
20Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
21 Nid oes gweddill iddo'i fwyta, ac felly nid oes parhad i'w ffyniant.
21Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22 Wedi digoni ei chwant, �'n gyfyng arno; daw holl rym gofid arno.
22Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
23 Pan fydd ar fedr llenwi ei fol, gyrrir arno angerdd llid, a'i dywallt i lawr i'w berfedd.
23Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24 "Fe ffy rhag arfau haearn, ond fe'i trywenir gan y saeth bres.
24Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25 Tynnir hi allan o'i gorff, y blaen gloyw allan o'i fustl; daw dychrynfeydd arno.
25Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
26 Tywyllwch llwyr a gadwyd ar gyfer ei drysorau; ysir ef gan d�n nad oes raid ei chwythu; difethir yr hyn a adawyd yn ei babell.
26Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
27 Dadlenna'r nefoedd ei gamwedd, a chyfyd y ddaear yn ei erbyn.
27Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
28 Bydd i'r dilyw ddwyn ymaith ei du375?, a llifogydd, yn nydd ei lid.
28Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
29 Dyma dynged yr annuwiol oddi wrth Dduw, a'r etifeddiaeth a osododd iddo."
29Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.