Welsh

Malagasy

Job

27

1 Aeth Job ymlaen �'i ddadl, gan ddweud:
1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 "Cyn wired � bod Duw yn fyw, a droes o'r neilltu fy achos, a'r Hollalluog, a wnaeth fy einioes yn chwerw,
2Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
3 tra bydd anadl ynof, ac ysbryd Duw yn fy ffroenau,
3Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.
4 ni chaiff fy ngenau lefaru twyll, na'm tafod ddweud celwydd!
4Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
5 Pell y bo imi ddweud eich bod chwi'n iawn! Ni chefnaf ar fy nghywirdeb hyd fy marw.
5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
6 Daliaf yn ddiysgog at fy nghyfiawnder, ac nid yw fy nghalon yn fy ngheryddu am fy muchedd.
6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.
7 "Bydded fy ngelyn fel y drygionus, a'm gwrthwynebwr fel y twyllodrus.
7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
8 Oherwydd pa obaith sydd i'r annuwiol pan dorrir ef i lawr, a phan gymer Duw ei einioes oddi arno?
8Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
9 A wrendy Duw ar ei gri pan ddaw gofid iddo?
9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
10 A yw ef yn ymhyfrydu yn yr Hollalluog? A eilw ef ar Dduw yn gyson?
10Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?
11 Dysgaf chwi am allu Duw, ac ni chuddiaf ddim o'r hyn sydd gan yr Hollalluog.
11Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.
12 Yn wir yr ydych chwi i gyd wedi ei weld eich hunain; pam, felly, yr ydych mor gwbl ynfyd?
12Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
13 "Dyma dynged y drygionus oddi wrth Dduw, ac etifeddiaeth y gormeswr gan yr Hollalluog:
13Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:
14 os yw ei blant yn niferus, y cleddyf fydd eu rhan, ac ni ddigonir ei hiliogaeth � bwyd.
14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
15 Y rhai a edy ar ei �l, fe'u cleddir o bla, ac ni wyla'u gweddwon amdanynt.
15Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]
16 Er iddo bentyrru arian fel llwch a darparu dillad fel clai,
16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
17 er iddo ef eu darparu, fe'u gwisgir gan y cyfiawn, a'r diniwed a ranna'r arian.
17Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
18 Y mae'n adeiladu ei du375? fel y pryf copyn, ac fel y bwth a wna'r gwyliwr.
18Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;
19 Pan � i gysgu, y mae ganddo gyfoeth, ond ni all ei gadw; pan yw'n agor ei lygaid, nid oes ganddo ddim.
19Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
20 Daw ofnau drosto fel llifogydd, a chipia'r storm ef ymaith yn y nos.
20Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
21 Cipia gwynt y dwyrain ef, a diflanna; fe'i hysguba o'i le.
21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
22 Hyrddia arno'n ddidrugaredd, er iddo ymdrechu i ffoi o'i afael.
22Asian'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;[Heb. Torahan', na Tifirin']Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]
23 Cura'i ddwylo arno, a'i hysio o'i le."
23Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]