1 Y mae gwyth�en i arian, a gwely i'r aur a burir.
1Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
2 Tynnir yr haearn o'r ddaear, a thoddir y garreg yn gopr.
2Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
3 Rhydd dyn derfyn ar dywyllwch, a chwilio hyd yr eithaf am y mwyn yn y tywyllwch dudew.
3Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4 Agorir pyllau yn y cymoedd ymhell oddi wrth bawb; fe'u hanghofiwyd gan y teithwyr. Y maent yn hongian ymhell o olwg pobl, gan siglo'n �l ac ymlaen.
4Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
5 Ceir bwyd o'r ddaear, eto oddi tani y mae wedi ei chynhyrfu fel gan d�n.
5Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6 Y mae ei cherrig yn ffynhonnell y saffir, a llwch aur sydd ynddi.
6Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
7 Y mae llwybr na u373?yr hebog amdano, ac nas gwelwyd gan lygad barcud,
7Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
8 ac nas troediwyd gan anifeiliaid rhodresgar, ac na theithiodd y llew arno.
8Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
9 Estyn dyn ei law am y gallestr, a thry'r mynyddoedd yn bendramwnwgl.
9Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
10 Egyr dwnelau yn y creigiau, a gw�l ei lygaid bopeth gwerthfawr.
10Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
11 Gesyd argae i rwystro lli'r afonydd, a dwg i oleuni yr hyn a guddiwyd ynddynt.
11Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
12 Ond pa le y ceir doethineb? a pha le y mae trigfan deall?
12Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
13 Ni u373?yr neb ble mae ei chartref, ac nis ceir yn nhir y byw.
13Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
14 Dywed y dyfnder, "Nid yw gyda mi"; dywed y m�r yntau, "Nid yw ynof fi."
14Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
15 Ni ellir rhoi aur yn d�l amdani, na phwyso'i gwerth mewn arian.
15Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
16 Ni ellir mesur ei gwerth ag aur Offir, nac ychwaith �'r onyx gwerthfawr na'r saffir.
16Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
17 Ni ellir cymharu ei gwerth ag aur neu risial, na'i chyfnewid am unrhyw lestr aur.
17Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
18 Ni bydd s�n am gwrel a grisial; y mae meddu doethineb yn well na gemau.
18Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
19 Ni ellir cymharu ei gwerth �'r topas o Ethiopia, ac nid ag aur coeth y prisir hi.
19Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
20 O ble y daw doethineb? a phle mae trigfan deall?
20Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
21 Cuddiwyd hi oddi wrth lygaid popeth byw, a hefyd oddi wrth adar y nefoedd.
21Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.
22 Dywedodd Abadon a marwolaeth, "Clywsom �'n clustiau s�n amdani."
22Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]
23 Duw sy'n deall ei ffordd; y mae ef yn gwybod ei lle.
23Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24 Oherwydd gall ef edrych i derfynau'r ddaear, a gweld popeth sy dan y nefoedd.
24Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
25 Pan roddodd ef ei bwysau i'r gwynt, a rhannu'r dyfroedd � mesur,
25Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
26 a gosod terfyn i'r glaw, a ffordd i'r mellt a'r taranau,
26Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
27 yna fe'i gwelodd hi a'i mynegi, fe'i sefydlodd hi a'i chwilio allan.
27Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
28 A dywedodd wrth ddynolryw, "Ofn yr ARGLWYDD yw doethineb, a chilio oddi wrth ddrwg yw deall."
28Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.