1 "Ond yn awr, Job, gwrando arnaf, a chlustfeinia ar fy ngeiriau i gyd.
1Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
2 Dyma fi'n agor fy ngwefusau, a'm tafod yn llefaru yn fy ngenau.
2Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
3 Y mae fy ngeiriau'n mynegi fy meddwl yn onest, a'm gwefusau wybodaeth yn ddiffuant.
3Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
4 Ysbryd Duw a'm lluniodd, ac anadl yr Hollalluog a'm ceidw'n fyw.
4Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.
5 Ateb fi, os medri; trefna dy achos, a saf o'm blaen.
5Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
6 Ystyria, o flaen Duw yr wyf finnau yr un fath � thithau; o glai y'm lluniwyd innau hefyd.
6Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.
7 Ni ddylai arswyd rhagof fi dy barlysu; ni fyddaf yn llawdrwm arnat.
7Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
8 "Yn wir, dywedaist yn fy nghlyw, a chlywais innau dy eiriau'n glir:
8Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:
9 'Rwy'n l�n, heb drosedd; rwy'n bur heb gamwedd.
9Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
10 Ond y mae Duw yn codi cwynion yn fy erbyn, ac yn f'ystyried yn elyn iddo,
10He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
11 yn gosod fy nhraed mewn cyffion, ac yn gwylio fy holl ffyrdd.'
11Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
12 "Nid wyt yn iawn yn hyn, a dyma f'ateb iti: Y mae Duw yn fwy na meidrolyn.
12He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.
13 Pam yr wyt yn ymgecru ag ef, oherwydd nid oes ateb i'r un o'i eiriau?
13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony? [Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin'olombelona?]
14 Mae Duw yn llefaru unwaith ac eilwaith, ond nid oes neb yn cymryd sylw.
14Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,
15 Mewn breuddwyd, mewn gweledigaeth nos, pan ddaw trymgwsg ar bobl, pan gysgant yn eu gwelyau,
15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
16 yna fe wna iddynt wrando, a'u dychryn � rhybuddion,
16Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
17 i droi rhywun oddi wrth ei weithred, a chymryd ymaith ei falchder oddi wrtho,
17Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
18 a gwaredu ei einioes rhag y pwll, a'i fywyd rhag croesi afon angau.
18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.
19 "Fe'i disgyblir ar ei orwedd � chryndod di-baid yn ei esgyrn;
19Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;
20 y mae bwyd yn ffiaidd ganddo, ac nid oes arno chwant am damaid blasus;
20Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.
21 nycha'i gnawd o flaen fy llygad, a daw'r esgyrn, na welid gynt, i'r amlwg;
21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
22 y mae ei einioes ar ymyl y pwll, a'i fywyd ger mangre'r meirw.
22Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
23 Os oes angel i sefyll drosto � un o blith mil i gyfryngu ac i ddadlau ei hawl drosto,
23Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,
24 a thrugarhau wrtho gan ddweud, 'Achub ef rhag mynd i'r pwll; y mae pris ei ryddid gennyf fi' �
24Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]
25 yna bydd ei gnawd yn iachach nag erioed, wedi ei adfer fel yr oedd yn nyddiau ei ieuenctid.
25Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;
26 Bydd yn gwedd�o ar Dduw, ac yntau'n ei wrando; bydd yn edrych ar ei wyneb mewn llawenydd, gan ddweud wrth eraill am ei gyfiawnhad
26Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy]
27 a chanu yn eu gu373?ydd, a dweud, 'Pechais, gan droi oddi wrth uniondeb, ond ni chyfrifwyd hyn yn f'erbyn;
27Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
28 gwaredodd f'einioes rhag mynd i'r pwll, ac fe w�l fy mywyd oleuni.'
28Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.
29 "Gwna Duw hyn i gyd i feidrolyn ddwywaith, ie deirgwaith;
29Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,
30 fe adfer ei einioes o'r pwll, er mwyn iddo gael gweld goleuni bywyd.
30Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na: hiala]
31 Ystyria, Job, a gwrando arnaf; bydd dawel ac mi lefaraf.
31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
32 Os oes gennyt ddadl, ateb fi; llefara, oherwydd fy nymuniad yw dy gyfiawnhau.
32Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
33 Ond os nad oes gennyt ddim i'w ddweud, gwrando arnaf; bydd dawel, a dysgaf ddoethineb i ti."
33Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.