1 "Am hyn hefyd y mae fy nghalon yn cynhyrfu, ac yn llamu o'i lle.
1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.
2 Gwrandewch ar daran ei lais, a'r atsain a ddaw o'i enau.
2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.
3 Y mae'n ei yrru ar draws yr wybren, ac yn gyrru ei fellt i gilfachau'r byd.
3Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany]
4 Ar eu h�l fe rua; tarana �'i lais mawr, ac nid yw'n eu hatal pan glywir ei lais.
4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
5 Tarana Duw yn rhyfeddol �'i lais; gwna wyrthiau, y tu hwnt i'n deall.
5Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
6 Fe ddywed wrth yr eira, 'Disgyn ar y ddaear', ac wrth y glaw a'r cawodydd, 'Trymhewch'.
6Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
7 Y mae pob un yn cael ei gau i mewn, a phopeth a wn�nt yn cael ei atal.
7Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
8 �'r anifeiliaid i'w ffeuau, ac aros yn eu gw�l.
8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
9 Daw'r corwynt allan o'i ystafell, ac oerni o'r tymhestloedd.
9Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.[Heb. efi-trano][Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka]
10 Daw anadl Duw �'r rhew, a rhewa'r llynnoedd yn galed.
10Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
11 Lleinw'r cwmwl hefyd � gwlybaniaeth, a gwasgara'r cwmwl ei fellt.
11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
12 Gwibiant yma ac acw ar ei orchymyn, i wneud y cyfan a ddywed wrthynt, dros wyneb daear gyfan.
12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany]
13 "Gwna hyn naill ai fel cosb, neu er mwyn ei dir, neu mewn trugaredd.
13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
14 "Gwrando ar hyn, Job; aros ac ystyria ryfeddodau Duw.
14Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.
15 A wyt ti'n deall sut y mae Duw yn trefnu, ac yn gwneud i'r mellt fflachio yn ei gwmwl?
15Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? [Heb. fahazavany]
16 A wyt ti'n deall symudiadau'r cymylau, rhyfeddodau un perffaith ei wybodaeth?
16Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?
17 Ti, sy'n chwysu yn dy ddillad pan fydd y ddaear yn swrth dan wynt y de,
17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,
18 a fedrit ti, fel ef, daenu'r wybren, sy'n galed fel drych o fetel tawdd?
18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
19 Dywed wrthym beth i'w ddweud wrtho; oherwydd y tywyllwch ni allwn ni drefnu'n hachos.
19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
20 A ellir dweud wrtho, 'Yr wyf fi am lefaru', neu fynegi iddo, 'Y mae hwn am siarad'?
20Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]
21 "Ond yn awr, ni all neb edrych ar y goleuni pan yw'n ddisglair yn yr awyr, a'r gwynt wedi dod a'i chlirio.
21Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
22 Disgleiria o'r gogledd fel aur; o gwmpas Duw y mae ysblander ofnadwy.
22Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena]
23 Ni allwn ni ganfod yr Hollalluog, y mae'n fawr ei nerth; yn ei farn a'i gyfiawnder ni wna gam.
23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.[Na: mamaly]Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
24 Am hyn, y mae pawb yn ei ofni, a phob un doeth yn edrych ato."
24Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]