1 Yna atebodd yr ARGLWYDD Job o'r corwynt:
1[Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
2 "Pwy yw hwn sy'n tywyllu cyngor � geiriau diwybod?
2Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
3 Gwna dy hun yn barod i'r ornest; fe holaf fi di, a chei dithau ateb.
3Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4 "Ble'r oeddit ti pan osodais i sylfaen i'r ddaear? Ateb, os gwyddost.
4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5 Pwy a benderfynodd ei mesurau? Mae'n siu373?r dy fod yn gwybod! Pwy a estynnodd linyn mesur arni?
5Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Ar beth y seiliwyd ei sylfeini, a phwy a osododd ei chonglfaen?
6Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 Ble'r oeddit ti pan oedd s�r y bore i gyd yn llawenhau, a'r holl angylion yn gorfoleddu,
7Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
8 pan gaewyd ar y m�r � dorau, pan lamai allan o'r groth,
8Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9 pan osodais gwmwl yn wisg amdano, a'r caddug yn rhwymyn iddo,
9Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
10 a phan drefnais derfyn iddo, a gosod barrau a dorau,
10Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11 a dweud, 'Hyd yma yr ei, a dim pellach, ac yma y gosodais derfyn i ymchwydd dy donnau'?
11Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
12 "A wyt ti, yn ystod dy fywyd, wedi gorchymyn y bore a dangos ei lle i'r wawr,
12Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
13 er mwyn iddi gydio yng nghonglau'r ddaear, i ysgwyd y drygionus ohoni?
13Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14 Y mae'n newid ffurf fel clai dan y s�l, ac yn sefyll allan fel plyg dilledyn.
14Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, [Heb. fitafiana]
15 Atelir eu goleuni oddi wrth y drygionus, a thorrir y fraich ddyrchafedig.
15Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
16 "A fedri di fynd at ffynhonnell y m�r, neu gerdded yng nghuddfa'r dyfnder?
16Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
17 A agorwyd pyrth angau i ti, neu a welaist ti byrth y fagddu?
17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?
18 A fedri di ddirnad maint y ddaear? Dywed, os wyt ti'n deall hyn i gyd.
18Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
19 "Prun yw'r ffordd i drigfan goleuni, ac i le tywyllwch,
19Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
20 fel y gelli di ei chymryd i'w therfyn, a gwybod y llwybr i'w thu375??
20Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
21 Fe wyddost, am dy fod wedi dy eni yr adeg honno, a bod nifer dy ddyddiau yn fawr!
21Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!
22 "A fuost ti yn ystordai'r eira, neu'n gweld cistiau'r cesair?
22Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
23 Dyma'r pethau a gedwais at gyfnod trallod, at ddydd brwydr a rhyfel.
23Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
24 Prun yw'r ffordd i'r fan lle y rhennir goleuni, ac y gwasgerir gwynt y dwyrain ar y ddaear?
24Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?
25 "Pwy a wnaeth sianel i'r cenllif glaw, a llwybr i'r daranfollt,
25Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,
26 i lawio ar dir heb neb ynddo, a diffeithwch heb unrhyw un yn byw ynddo,
26Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,
27 i ddigoni'r tir diffaith ac anial, a pheri i laswellt dyfu yno?
27Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
28 "A oes tad i'r glaw? Pwy a genhedlodd y defnynnau gwlith?
28Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?
29 O groth pwy y daw'r rhew? A phwy a genhedlodd y llwydrew,
29Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?
30 i galedu'r dyfroedd fel carreg, a rhewi wyneb y dyfnder?
30Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.
31 A fedri di gau cadwynau Pleiades, neu ddatod rhwymau Orion?
31Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
32 A fedri di ddwyn Masaroth allan yn ei bryd, a thywys yr Arth gyda'i phlant?
32Mahavoaka ny Mazarota amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]
33 A wyddost ti reolau'r awyr? A fedri di gymhwyso i'r ddaear ei threfn?
33Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?
34 "A fedri di alw ar y cwmwl i beri i ddyfroedd lifo drosot?
34Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35 A fedri di roi gorchymyn i'r mellt, iddynt ddod atat a dweud, 'Dyma ni'?
35Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36 Pwy a rydd ddoethineb i'r cymylau, a deall i'r niwl?
36Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
37 Gan bwy y mae digon o ddoethineb i gyfrif y cymylau? A phwy a wna i gostrelau'r nefoedd arllwys,
37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra, [Heb. siny hoditra]
38 nes bod llwch yn mynd yn llaid, a'r tywyrch yn glynu wrth ei gilydd?
38Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
39 "Ai ti sydd yn hela ysglyfaeth i'r llew, a diwallu angen y llewod ifanc,
39Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
40 pan grymant yn eu gw�l, ac aros dan lwyn am helfa?
40Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
41 Pwy sy'n trefnu bwyd i'r fr�n, pan waedda'r cywion ar Dduw, a hedfan o amgylch heb fwyd?
41Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?