Welsh

Malagasy

Job

5

1 "Galw'n awr; a oes rhywun a'th etyb? At ba un o'r rhai sanctaidd y gelli droi?
1Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
2 Y mae dicter yn lladd yr ynfyd, a chenfigen yn dwyn angau i'r ff�l.
2Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
3 Gwelais yr ynfyd yn magu gwraidd, ond ar fyrder melltithiwyd ei drigfan;
3Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
4 ac aeth ei blant y tu hwnt i ymwared, wedi eu sathru yn y porth, heb neb i'w hachub.
4Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5 Y mae'r newynog yn bwyta'i gynhaeaf ef, ac yn ei gymryd hyd yn oed o blith y drain; ac y mae'r sychedig yn dyheu am eu cyfoeth.
5Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
6 Canys nid o'r pridd y daw gofid, nac o'r ddaear orthrymder;
6Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
7 ond genir dynion i orthrymder, cyn sicred ag y tasga'r gwreichion.
7Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
8 "Ond myfi, ceisio Duw a wnawn i, a gosod fy achos o'i flaen ef,
8Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
9 yr un a gyflawna weithredoedd mawr ac anchwiliadwy, rhyfeddodau dirifedi.
9Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
10 Ef sy'n tywallt y glaw ar y ddaear, a'r dyfroedd ar y meysydd.
10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
11 Y mae'n codi'r rhai isel i fyny, a dyrchefir y galarwyr i ddiogelwch.
11Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
12 Y mae'n diddymu cynllwynion y cyfrwys; ni all eu dwylo wneud dim o fudd.
12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
13 Y mae ef yn dal y doethion yn eu cyfrwystra, a buan y diflanna cynllun y dichellgar.
13Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;
14 Brwydrant � thywyllwch hyd yn oed liw dydd, ac ymbalfalant ganol dydd fel yn y nos.
14Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
15 Ond gwared ef yr anghenus o'u gafael, a'r truan o afael y cryf.
15Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.
16 Am hynny y mae gobaith i'r tlawd, ac anghyfiawnder yn cau ei safn.
16Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
17 "Dedwydd y sawl a gerydda Duw, ac na wrthyd ddisgyblaeth yr Hollalluog.
17Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;
18 Ef a ddoluria, ac ef hefyd a rwyma'r dolur; ef a archolla, ond rhydd ei ddwylo feddyginiaeth.
18Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
19 Fe'th wared di rhag chwe chyfyngder; ac mewn saith, ni ddaw drwg arnat.
19Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
20 Fe'th achub di rhag marw mewn newyn, a rhag y cleddyf mewn brwydr.
20Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;
21 Cei loches rhag ffrewyll y tafod, ac nid ofni'r dinistr pan ddaw.
21Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
22 Chwerddi ar ddinistr a newyn, ac ni'th ddychrynir gan fwystfil gwyllt.
22Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
23 Byddi mewn cynghrair � cherrig y tir, a bydd y bwystfil gwyllt mewn heddwch � thi.
23Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
24 Yna gweli fod dy babell yn ddiogel, a phan rifi dy ddiadell, ni bydd un ar goll.
24Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
25 Canfyddi hefyd mai niferus yw dy dylwyth, a'th epil fel gwellt y maes.
25Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
26 Ei i'r bedd mewn henaint teg, fel y cesglir ysgub yn ei phryd.
26Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
27 Chwiliasom hyn yn ddyfal, ac y mae'n wir; gwrando dithau arno, a deall drosot dy hun."
27Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.