Welsh

Malagasy

Job

7

1 "Onid llafur caled sydd i ddyn ar y ddaear, a'i ddyddiau fel dyddiau gwas cyflog?
1Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?
2 Fel caethwas yn dyheu am gysgod, a gwas yn disgwyl am ei d�l,
2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,
3 felly y daeth misoedd ofer i'm rhan innau, a threfnwyd imi nosweithiau gofidus.
3Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
4 Pan orweddaf, dywedaf, 'Pa bryd y caf godi?' Y mae'r nos yn hir, a byddaf yn blino yn troi a throsi hyd doriad gwawr.
4Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]
5 Gorchuddiwyd fy nghnawd gan bryfed a budreddi; crawniodd fy nghroen, ac yna torri allan.
5Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
6 Y mae fy nyddiau'n gyflymach na gwennol gwehydd; darfyddant fel edafedd yn dirwyn i ben.
6Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
7 "Cofia mai awel o wynt yw fy hoedl; ni w�l fy llygaid ddaioni eto.
7Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
8 Y llygad sy'n edrych arnaf, ni'm gw�l; ar amrantiad ni fyddaf ar gael iti.
8Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
9 Fel y cilia'r cwmwl a diflannu, felly'r sawl sy'n mynd i Sheol, ni ddychwel oddi yno;
9Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
10 ni ddaw eto i'w gartref, ac nid edwyn ei le mohono mwy.
10Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
11 "Ond myfi, nid ataliaf fy ngeiriau; llefaraf yng nghyfyngder fy ysbryd, cwynaf yn chwerwder fy enaid.
11Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.
12 Ai'r m�r ydwyf, neu'r ddraig, gan dy fod yn gosod gwyliwr arnaf?
12Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
13 "Pan ddywedaf, 'Fy ngwely a rydd gysur imi; fy ngorweddfa a liniara fy nghwyn',
13Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
14 yr wyt yn fy nychryn � breuddwydion, ac yn f'arswydo � gweledigaethau.
14Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
15 Gwell fyddai gennyf fy nhagu, a marw yn hytrach na goddef fy mhoen.
15Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;[Heb. taolako]
16 Rwy'n ddiobaith; ni ddymunaf fyw am amser maith. Gad lonydd imi, canys y mae fy nyddiau fel anadl.
16Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
17 Beth yw meidrolyn i ti ei ystyried, ac iti roi cymaint o sylw iddo?
17Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
18 Yr wyt yn ymweld ag ef bob bore, ac yn ei brofi bob eiliad.
18Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
19 Pa bryd y peidi ag edrych arnaf, ac y rhoi lonydd imi lyncu fy mhoeri?
19Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
20 Os pechais, beth a wneuthum i ti, O wyliwr dynolryw? Pam y cymeraist fi'n nod, nes fy mod yn faich i mi fy hun?
20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
21 Pam na faddeui fy nhrosedd a symud fy mai? Yn awr rwy'n gorwedd yn y llwch, ac er i ti chwilio amdanaf, ni fyddaf ar gael."
21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.