Welsh

Malagasy

Proverbs

2

1 Fy mab, os derbynni fy ngeiriau, a thrysori fy ngorchmynion,
1[Ny soa hitan'izay mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
2 a gwrando'n astud ar ddoethineb, a rhoi dy feddwl ar ddeall;
2Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
3 os gelwi am ddeall, a chodi dy lais am wybodaeth,
3Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
4 a chwilio amdani fel am arian, a chloddio amdani fel am drysor �
4Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
5 yna cei ddeall ofn yr ARGLWYDD, a chael gwybodaeth o Dduw.
5Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
6 Oherwydd yr ARGLWYDD sy'n rhoi doethineb, ac o'i enau ef y daw gwybodaeth a deall.
6Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
7 Y mae'n trysori craffter i'r uniawn; y mae'n darian i'r rhai a rodia'n gywir.
7Izy mitahiry fanambinanaho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;[Na: tena fahendrena]
8 Y mae'n diogelu llwybrau cyfiawnder, ac yn gwarchod ffordd ei ffyddloniaid.
8Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.
9 Yna byddi'n deall cyfiawnder a barn, ac uniondeb a phob ffordd dda;
9Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
10 oherwydd bydd doethineb yn dod i'th feddwl, a deall yn rhoi pleser iti.
10Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho]
11 Bydd pwyll yn dy amddiffyn, a deall yn dy warchod,
11Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
12 ac yn dy gadw rhag ffordd drygioni, a rhag y rhai sy'n siarad yn dwyllodrus �
12Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
13 y rhai sy'n gadael y ffordd iawn i rodio yn llwybrau tywyllwch,
13Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
14 sy'n cael pleser mewn gwneud drwg a mwynhad mewn twyll,
14Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,
15 y rhai y mae eu ffordd yn gam a'u llwybrau'n droellog.
15Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;
16 Fe'th geidw oddi wrth y wraig ddieithr, a rhag y ddynes estron a'i geiriau dengar,
16Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,[Heb. vehivavy tsy vadinao]
17 sydd wedi gadael cymar ei hieuenctid, ac wedi anghofio cyfamod ei Duw.
17Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.[Heb. sakaizan']
18 Oherwydd y mae ei thu375? yn gwyro at angau, a'i llwybrau at y cysgodion.
18Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
19 Ni ddaw neb sy'n mynd ati yn ei �l, ac ni chaiff ailafael ar lwybrau bywyd.
19Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina,
20 Felly gofala di rodio yn ffyrdd y da, a chadw at lwybrau'r cyfiawn.
20Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
21 Oherwydd y rhai cyfiawn a drig yn y tir, a'r rhai cywir a gaiff aros ynddo;
21Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
22 ond torrir y rhai drwg o'r tir, a diwreiddir y twyllwyr ohono.
22Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.