Welsh

Malagasy

Psalms

50

1 1 Salm. I Asaff.0 Duw y duwiau, yr ARGLWYDD, a lefarodd; galwodd y ddaear o godiad haul hyd ei fachlud.
1[Ny amin'ny fivavahana marina sy ny fanatitra sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
2 O Seion, berffaith ei phrydferthwch, y llewyrcha Duw.
2Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.
3 Fe ddaw ein Duw, ac ni fydd ddistaw; bydd t�n yn ysu o'i flaen, a thymestl fawr o'i gwmpas.
3Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
4 Y mae'n galw ar y nefoedd uchod, ac ar y ddaear, er mwyn barnu ei bobl:
4Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
5 "Casglwch ataf fy ffyddloniaid, a wnaeth gyfamod � mi trwy aberth."
5Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.
6 Bydd y nefoedd yn cyhoeddi ei gyfiawnder, oherwydd Duw ei hun sydd farnwr. Sela.
6Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
7 "Gwrandewch, fy mhobl, a llefaraf; dygaf dystiolaeth yn dy erbyn, O Israel; myfi yw Duw, dy Dduw di.
7Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
8 Ni cheryddaf di am dy aberthau, oherwydd y mae dy boethoffrymau'n wastad ger fy mron.
8Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
9 Ni chymeraf fustach o'th du375?, na bychod geifr o'th gorlannau;
9Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao;
10 oherwydd eiddof fi holl fwystfilod y goedwig, a'r gwartheg ar fil o fryniau.
10Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
11 Yr wyf yn adnabod holl adar yr awyr, ac eiddof fi holl greaduriaid y maes.
11Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
12 Pe bawn yn newynu, ni ddywedwn wrthyt ti, oherwydd eiddof fi'r byd a'r hyn sydd ynddo.
12Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
13 A fwyt�f fi gig eich teirw, neu yfed gwaed eich bychod geifr?
13Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy?
14 Rhowch i Dduw offrymau diolch, a thalwch eich addunedau i'r Goruchaf.
14Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao;
15 Os gelwi arnaf yn nydd cyfyngder fe'th waredaf, a byddi'n fy anrhydeddu."
15Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
16 Ond wrth y drygionus fe ddywed Duw, "Pa hawl sydd gennyt i adrodd fy neddfau, ac i gymryd fy nghyfamod ar dy wefusau?
16Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
17 Yr wyt yn cas�u disgyblaeth ac yn bwrw fy ngeiriau o'th �l.
17Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
18 Os gweli leidr, fe ei i'w ganlyn, a bwrw dy goel gyda godinebwyr.
18Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.
19 Y mae dy enau'n ymollwng i ddrygioni, a'th dafod yn nyddu twyll.
19Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
20 Yr wyt yn parhau i dystio yn erbyn dy frawd, ac yn enllibio mab dy fam.
20Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.[Na: manosika]
21 Gwnaethost y pethau hyn, b�m innau ddistaw; tybiaist dithau fy mod fel ti dy hun, ond ceryddaf di, a dwyn achos yn dy erbyn.
21Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
22 "Ystyriwch hyn, chwi sy'n anghofio Duw, rhag imi eich darnio heb neb i arbed.
22Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
23 Y sawl sy'n cyflwyno offrymau diolch sy'n fy anrhydeddu, ac i'r sawl sy'n dilyn fy ffordd y dangosaf iachawdwriaeth Duw."
23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.