1 1 I'r Cyfarwyddwr: Salm. I Ddafydd, pan ddaeth y proffwyd Nathan ato wedi iddo fynd at Bathseba.0 Bydd drugarog wrthyf, O Dduw, yn �l dy ffyddlondeb; yn �l dy fawr dosturi dilea fy nhroseddau;
1[Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2 golch fi'n l�n o'm drygioni, a glanha fi o'm pechod.
2Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
3 Oherwydd gwn am fy nhroseddau, ac y mae fy mhechod yn wastad gyda mi.
3Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
4 Yn dy erbyn di, ti yn unig, y pechais a gwneud yr hyn a ystyri'n ddrwg, fel dy fod yn gyfiawn yn dy ddedfryd, ac yn gywir yn dy farn.
4Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5 Wele, mewn drygioni y'm ganwyd, ac mewn pechod y beichiogodd fy mam.
5Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6 Wele, yr wyt yn dymuno gwirionedd oddi mewn; felly dysg imi ddoethineb yn y galon.
6Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
7 Pura fi ag isop fel y byddaf l�n; golch fi fel y byddaf wynnach nag eira.
7Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.[Heb: toy ny oram-panala]
8 P�r imi glywed gorfoledd a llawenydd, fel y bo i'r esgyrn a ddrylliaist lawenhau.
8Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
9 Cuddia dy wyneb oddi wrth fy mhechodau, a dilea fy holl euogrwydd.
9Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
10 Crea galon l�n ynof, O Dduw, rho ysbryd newydd cadarn ynof.
10Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
11 Paid �'m bwrw ymaith oddi wrthyt, na chymryd dy ysbryd sanctaidd oddi arnaf.
11Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
12 Dyro imi eto orfoledd dy iachawdwriaeth, a chynysgaedda fi ag ysbryd ufudd.
12Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
13 Dysgaf dy ffyrdd i droseddwyr, fel y dychwelo'r pechaduriaid atat.
13Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
14 Gwared fi rhag gwaed, O Dduw, Duw fy iachawdwriaeth, ac fe g�n fy nhafod am dy gyfiawnder.
14Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.[Heb: ny lelako]
15 Arglwydd, agor fy ngwefusau, a bydd fy ngenau yn mynegi dy foliant.
15Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
16 Oherwydd nid wyt yn ymhyfrydu mewn aberth; pe dygwn boethoffrymau, ni fyddit fodlon.
16Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
17 Aberthau Duw yw ysbryd drylliedig; calon ddrylliedig a churiedig ni ddirmygi, O Dduw.
17Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
18 Gwna ddaioni i Seion yn dy ras; adeilada furiau Jerwsalem.
18Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
19 Yna fe ymhyfrydi mewn aberthau cywir � poethoffrwm ac aberth llosg � yna fe aberthir bustych ar dy allor.
19Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.