1Hear this word, ye kine of Bashan, that are in the mountain of Samaria, that oppress the poor, that crush the needy, that say to their lords, Bring, and let us drink:
1[Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny]
2the Lord Jehovah hath sworn by his holiness, that behold, days shall come upon you, when he will take you away with hooks, and your posterity with fish-hooks;
2Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.
3and ye shall go out by the breaches, every one straight before her, and ye shall be cast out to Harmon, saith Jehovah.
3Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana (?)]
4Come to Bethel, and transgress; at Gilgal multiply transgression; and bring your sacrifices in the morning, your tithes every three days,
4Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
5and burn a thank-offering with leaven, and proclaim, publish, voluntary offerings: for this pleaseth you, children of Israel, saith the Lord Jehovah.
5Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
6And I also have given you cleanness of teeth in all your cities, and want of bread in all your places; yet ye have not returned unto me, saith Jehovah.
6Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
7And I also have withholden the rain from you, when there were yet three months to the harvest; and I caused it to rain upon one city, and caused it not to rain upon another city: one piece [of land] was rained upon, and the piece whereupon it rained not withered.
7Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8And two, three, cities wandered unto one city, to drink water, and were not satisfied: yet have ye not returned unto me, saith Jehovah.
8Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
9I have smitten you with blasting and mildew; the palmer-worm hath devoured the multitude of your gardens, and your vineyards, and your fig-trees and your olive-trees: yet have ye not returned unto me, saith Jehovah.
9Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky]
10I have sent among you the pestilence after the manner of Egypt: your young men have I slain with the sword, taking away captive your horses; and I made the stench of your camps to come up, even into your nostrils: yet have ye not returned unto me, saith Jehovah.
10Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
11I have overthrown among you, like God's overthrow of Sodom and Gomorrah, and ye were as a brand plucked out of the burning; yet have ye not returned unto me, saith Jehovah.
11Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
12Therefore thus will I do unto thee, O Israel: because I will do this unto thee, prepare to meet thy God, O Israel.
12Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô.Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
13For behold, he who formeth the mountains, and createth the wind, and declareth unto man what is his thought, who maketh the morning darkness, and treadeth upon the high places of the earth, -- Jehovah, the God of hosts, is his name.
13Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.