1At that time Jehovah said unto me, Hew for thyself two tables of stone like the first, and come up unto me into the mountain, and make thee an ark of wood;
1Tamin'izany andro izany no nilazan'Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
2and I will write on the tables the words that were on the first tables which thou didst break, and thou shalt lay them in the ark.
2dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny.
3And I made an ark of acacia-wood, and hewed two tables of stone like the first, and went up the mountain with the two tables in my hand.
3Dia nanao fiara tamin'ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
4And he wrote on the tables, as the first writing, the ten words which Jehovah spoke unto you on the mountain, from the midst of the fire, on the day of the assembly, and Jehovah gave them unto me.
4Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny.
5And I turned and came down from the mountain, and put the tables in the ark which I had made; -- and they are there, as Jehovah commanded me.
5Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin'ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian'i Jehovah ahy.
6(And the children of Israel took their journey from Beeroth-Bene-Jaakan to Moserah: there Aaron died, and there he was buried; and Eleazar his son exercised the priesthood in his stead.
6Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
7From thence they journeyed unto Gudgodah; and from Gudgodah to Jotbathah, a land of water-brooks.)
7Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
8At that time Jehovah separated the tribe of Levi, to bear the ark of the covenant of Jehovah, to stand before Jehovah to do service unto him, and to bless in his name, unto this day.
8Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany.
9Therefore Levi has no portion nor inheritance with his brethren; Jehovah is his inheritance, according as Jehovah thy God told him.
9Izany no tsy ananan'ny Levita anjara na lova eo amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrao taminy.
10But I stood upon the mountain according to the former days, forty days and forty nights; and Jehovah listened unto me also at that time: Jehovah would not destroy thee.
10Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
11And Jehovah said unto me, Rise up, take thy journey before the people, that they may enter in and possess the land, which I swore unto their fathers to give unto them.
11Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
12And now, Israel, what doth Jehovah thy God require of thee, but to fear Jehovah thy God, to walk in all his ways, and to love him, and to serve Jehovah thy God with all thy heart and with all thy soul,
12[Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
13to keep the commandments of Jehovah, and his statutes, which I command thee this day, for thy good?
13hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
14Behold, the heaven and the heaven of heavens belong to Jehovah thy God; the earth and all that is therein.
14Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.
15Only, Jehovah took pleasure in thy fathers, to love them, and he chose their seed after them, [even] you, out of all the peoples, as it is this day.
15Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.
16Circumcise then the foreskin of your heart, and stiffen your neck no more.
16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
17For Jehovah your God is the God of gods, and the Lord of lords, the great ùGod, the mighty and the terrible, who regardeth not persons, nor taketh reward;
17Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly;
18who executeth the judgment of the fatherless and the widow, and loveth the stranger, to give him food and clothing.
18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
19And ye shall love the stranger; for ye have been strangers in the land of Egypt.
19Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.
20Thou shalt fear Jehovah thy God; him thou shalt serve, and unto him shalt thou cleave, and swear by his name.
20Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
21He is thy praise, and he is thy God, who hath done for thee these great and terrible things, which thine eyes have seen.
21Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao.Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
22With seventy souls thy fathers went down into Egypt; and now Jehovah thy God hath made thee as the stars of heaven for multitude.
22Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.