1Thou shalt love then Jehovah thy God, and keep his charge, and his statutes, and his ordinances, and his commandments continually.
1Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.
2And know ye this day ...; for [I speak] not with your children who have not known, and who have not seen the chastisement of Jehovah your God, his greatness, his powerful hand, and his stretched-out arm,
2Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra
3and his signs and his acts which he did in the midst of Egypt unto Pharaoh the king of Egypt, and unto all his land;
3sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny taniny rehetra,
4and what he did unto the army of Egypt, unto their horses, and unto their chariots, over which he made the water of the Red sea flow as they pursued after you, and Jehovah destroyed them unto this day;
4sy izay nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan'i Jehovah mandraka androany,
5-- and what he did unto you in the wilderness, until ye came to this place;
5ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity,
6and what he did unto Dathan and Abiram, the sons of Eliab, the son of Reuben, -- how the earth opened its mouth, and swallowed them up, with their households, and their tents, and all the living substance that belonged to them, in the midst of all Israel.
6ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina izay nomba azy;
7For your eyes have seen all the great work of Jehovah which he hath done.
7fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon'i Jehovah.
8Keep then all the commandment which I command you this day, that ye may be strong, and enter in and possess the land, whither ye pass over to possess it;
8Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;
9and that ye may prolong your days in the land which Jehovah swore unto your fathers to give unto them and unto their seed, a land flowing with milk and honey.
9ary, mba ho maro andro ianareo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
10For the land, whither thou enterest in to possess it, is not as the land of Egypt, from whence ye came out, where thou sowedst thy seed, and wateredst it with thy foot, as a garden of herbs;
10Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana.
11but the land, whereunto ye are passing over to possess it, is a land of mountains and valleys, which drinketh water of the rain of heaven,
11Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra,
12a land which Jehovah thy God careth for; the eyes of Jehovah thy God are constantly upon it, from the beginning of the year even unto the end of the year.
12dia tany izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao; ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafarany.
13And it shall come to pass, if ye hearken diligently unto my commandments which I command you this day, to love Jehovah your God, and to serve him with all your heart and with all your soul,
13Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
14that I will give rain to your land in its season, the early rain and the latter rain; and thou shalt gather in thy corn, and thy new wine, and thine oil;
14dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;
15and I will give grass in thy field for thy cattle; and thou shalt eat and be full.
15ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16Take heed to yourselves, that your heart be not deceived, and ye turn aside and serve other gods, and bow down to them,
16Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;
17and Jehovah's wrath kindle against you, and he shut up the heavens, that there be no rain, and that the ground yield not its produce, and ye perish quickly from off the good land which Jehovah is giving you.
17ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.
18And ye shall lay up these my words in your heart and in your soul, and bind them for a sign upon your hand, and they shall be for frontlets between your eyes.
18Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;
19And ye shall teach them unto your children, speaking of them when thou sittest in thy house, and when thou goest on the way, and when thou liest down, and when thou risest up;
19ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;
20and write them upon the posts of thy house, and upon thy gates;
20ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy;
21that your days may be multiplied, and the days of your children, in the land which Jehovah swore unto your fathers to give them, as the days of the heavens [which are] above the earth.
21mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.
22For if ye diligently keep all this commandment which I command you [this day] to do it, to love Jehovah your God, to walk in all his ways, and to cleave unto him,
22Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,
23then will Jehovah dispossess all these nations from before you, and ye shall take possession of nations greater and mightier than yourselves.
23dia horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.
24Every place whereon the sole of your foot shall tread shall be yours; from the wilderness and Lebanon, from the river, the river Euphrates, even unto the hinder sea shall your border be.
24Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
25No man shall be able to stand before you: the fear of you and the dread of you will Jehovah your God lay upon all the land that ye shall tread upon, as he hath said unto you.
25Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
26See, I set before you this day a blessing and a curse:
26Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
27a blessing, if ye obey the commandments of Jehovah your God, which I command you this day;
27fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;
28and a curse, if ye will not obey the commandments of Jehovah your God, but turn aside out of the way which I command you this day, to go after other gods which ye have not known.
28ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
29And it shall come to pass, when Jehovah thy God hath brought thee into the land whither thou enterest in to possess it, that thou shalt put the blessing upon mount Gerizim, and the curse upon mount Ebal.
29Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
30Are they not on the other side of the Jordan, beyond the way toward the going down of the sun, in the land of the Canaanites that dwell on the plain opposite to Gilgal, beside the oaks of Moreh?
30Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More?
31For ye pass over the Jordan to enter in to possess the land which Jehovah your God giveth you, and ye shall take possession of it, and dwell therein.
31Fa ianareo efa handeha hita an'i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.
32And ye shall take heed to do all the statutes and ordinances which I set before you this day.
32koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.