Darby's Translation

Malagasy

Ephesians

4

1*I*, the prisoner in [the] Lord, exhort you therefore to walk worthy of the calling wherewith ye have been called,
1[Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [ Gr. ao amin']
2with all lowliness and meekness, with long-suffering, bearing with one another in love;
2amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,
3using diligence to keep the unity of the Spirit in the uniting bond of peace.
3mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
4[There is] one body and one Spirit, as ye have been also called in one hope of your calling;
4Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
5one Lord, one faith, one baptism;
5iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6one God and Father of all, who is over all, and through all, and in us all.
6iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.
7But to each one of us has been given grace according to the measure of the gift of the Christ.
7Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
8Wherefore he says, Having ascended up on high, he has led captivity captive, and has given gifts to men.
8Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).
9But that he ascended, what is it but that he also descended into the lower parts of the earth?
9(Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? [ Na: (nidina aloha)]
10He that descended is the same who has also ascended up above all the heavens, that he might fill all things;
10Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
11and *he* has given some apostles, and some prophets, and some evangelists, and some shepherds and teachers,
11Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12for the perfecting of the saints; with a view to [the] work of [the] ministry, with a view to the edifying of the body of Christ;
12ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [ Gr. eklesia]
13until we all arrive at the unity of the faith and of the knowledge of the Son of God, at [the] full-grown man, at [the] measure of the stature of the fulness of the Christ;
13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
14in order that we may be no longer babes, tossed and carried about by every wind of *that* teaching [which is] in the sleight of men, in unprincipled cunning with a view to systematized error;
14mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15but, holding the truth in love, we may grow up to him in all things, who is the head, the Christ:
15fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;
16from whom the whole body, fitted together, and connected by every joint of supply, according to [the] working in [its] measure of each one part, works for itself the increase of the body to its self-building up in love.
16Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
17This I say therefore, and testify in [the] Lord, that ye should no longer walk as [the rest of] the nations walk in [the] vanity of their mind,
17[Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;
18being darkened in understanding, estranged from the life of God by reason of the ignorance which is in them, by reason of the hardness of their hearts,
18fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,
19who having cast off all feeling, have given themselves up to lasciviousness, to work all uncleanness with greedy unsatisfied lust.
19dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
20But *ye* have not thus learnt the Christ,
20Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,
21if ye have heard him and been instructed in him according as [the] truth is in Jesus;
21raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,
22[namely] your having put off according to the former conversation the old man which corrupts itself according to the deceitful lusts;
22mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [ Gr. olonareo]
23and being renewed in the spirit of your mind;
23fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,
24and [your] having put on the new man, which according to God is created in truthful righteousness and holiness.
24ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [ Gr. olona]
25Wherefore, having put off falsehood, speak truth every one with his neighbour, because we are members one of another.
25Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
26Be angry, and do not sin; let not the sun set upon your wrath,
26Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27neither give room for the devil.
27Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
28Let the stealer steal no more, but rather let him toil, working what is honest with [his] hands, that he may have to distribute to him that has need.
28Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29Let no corrupt word go out of your mouth, but if [there be] any good one for needful edification, that it may give grace to those that hear [it].
29Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
30And do not grieve the Holy Spirit of God, with which ye have been sealed for [the] day of redemption.
30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
31Let all bitterness, and heat of passion, and wrath, and clamour, and injurious language, be removed from you, with all malice;
31Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [ Gr. fangidiana]ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
32and be to one another kind, compassionate, forgiving one another, so as God also in Christ has forgiven you.
32ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.