Darby's Translation

Malagasy

Exodus

30

1And thou shalt make an altar for the burning of incense: of acacia-wood shalt thou make it;
1[Ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra] Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
2a cubit the length thereof, and a cubit the breadth thereof -- square shall it be; and two cubits its height; of itself shall be its horns.
2Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
3And thou shalt overlay it with pure gold, the top thereof, and the sides thereof round about, and the horns thereof; and thou shalt make upon it a border of gold round about.
3Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
4And two rings of gold shalt thou make for it under its border; by its two corners shalt thou make [them], on the two sides thereof; and they shall be for receptacles for the staves, with which to carry it.
4Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin'ny koronosiny, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran'ny bao ireo hilanjana azy.
5And thou shalt make the staves of acacia-wood, and overlay them with gold.
5Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
6And thou shalt put it in front of the veil which is before the ark of the testimony in front of the mercy-seat which is over the testimony, where I will meet with thee.
6Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
7And Aaron shall burn thereon fragrant incense: every morning, when he dresseth the lamps, he shall burn the incense.
7Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
8And when Aaron lighteth the lamps between the two evenings, he shall burn the incense -- a continual incense before Jehovah throughout your generations.
8ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9Ye shall offer up no strange incense thereon, nor burnt-offering, nor oblation; neither shall ye pour drink-offering thereon.
9Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
10And Aaron shall make atonement for its horns once in the year: with the blood of the sin-offering of atonement shall he make atonement for it, once in the year, throughout your generations: it is most holy to Jehovah.
10Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.
11And Jehovah spoke to Moses, saying,
11[Ny handoavana ny vola avotra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe;
12When thou shalt take the sum of the children of Israel according to those of them that are numbered, then shall they give every man a ransom for his soul to Jehovah on their being numbered, that there be no plague among them on their being numbered.
12Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
13This shall they give -- every one that passeth among them that are numbered -- half a shekel after the shekel of the sanctuary, -- twenty gerahs the shekel; a half shekel shall be the heave-offering for Jehovah.
13Izao no haloan'izay re­hetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.
14Every one that passeth among those that are numbered, from twenty years old and above, shall give the heave-offering of Jehovah.
14Izay rehetra voalamina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an'i Jehovah.
15The rich shall not give more, and the poor shall not give less than half a shekel, when ye give the heave-offering of Jehovah, to make atonement for your souls.
15Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
16And thou shalt take the atonement-money of the children of Israel, and devote it to the service of the tent of meeting; and it shall be a memorial to the children of Israel before Jehovah, to make atonement for your souls.
16Ary handray ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
17And Jehovah spoke to Moses, saying,
17[Ny tavy, sy ny diloilo fanosorana, ary ny ditin-kazo manitra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18Thou shalt also make a laver of copper, and its stand of copper, for washing; and thou shalt put it between the tent of meeting and the altar, and shalt put water in it.
18Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
19And Aaron and his sons shall wash their hands and their feet out of it.
19Ary eo no hanasan'i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
20When they go into the tent of meeting, they shall wash with water, that they may not die; or when they come near to the altar to serve, to burn an offering by fire to Jehovah.
20Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
21And they shall wash their hands and their feet, that they may not die; and it shall be an everlasting statute for them, for him and for his seed throughout their generations.
21dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin'ny taranany fara mandimby.
22And Jehovah spoke to Moses, saying,
22Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23And thou, take best spices -- of liquid myrrh five hundred [shekels], and of sweet cinnamon the half -- two hundred and fifty, and of sweet myrtle two hundred and fifty,
23Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak'izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
24and of cassia five hundred, after the shekel of the sanctuary, and of olive oil a hin;
24sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon'oliva eran'ny hina;
25and make of it an oil of holy ointment, a perfume of perfumery after the work of the perfumer: it shall be the holy anointing oil.
25dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.
26And thou shalt anoint the tent of meeting with it, and the ark of the testimony,
26Ary hosory amin'izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran'ny Vavolombelona,
27and the table and all its utensils, and the lamp-stand and its utensils, and the altar of incense,
27sy ny latabatra mbamin'ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
28and the altar of burnt-offering and all its utensils, and the laver and its stand.
28ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
29And thou shalt hallow them, that they may be most holy: whatever toucheth them shall be holy.
29Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.
30And Aaron and his sons thou shalt anoint, and shalt hallow them, that they may serve me as priests.
30Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
31And thou shalt speak to the children of Israel, saying, A holy anointing oil shall this be unto me throughout your generations.
31Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
32Upon man's flesh shall it not be poured, neither shall ye make [any] like it, after the preparation of it: it is holy -- holy shall it be unto you.
32Aoka tsy hihosoran'ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina aminareo.
33Whoever compoundeth [any] like it, or whoever putteth [any] of it upon any strange thing, shall be cut off from his peoples.
33Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin'ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
34And Jehovah said to Moses, Take fragrant drugs -- stacte, and onycha, and galbanum -- fragrant drugs and pure frankincense; in like proportions shall it be.
34Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
35And thou shalt make it into incense, a perfume, after the work of the perfumer, salted, pure, holy.
35Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
36And thou shalt beat [some] of it to powder, and put [some] of it before the testimony in the tent of meeting, where I will meet with thee: it shall be unto you most holy.
36Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny Vavolombelona ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany.
37And the incense that thou shalt make, ye shall not make for yourselves according to the proportions of it; it shall be unto thee holy to Jehovah.
37Ary ny amin'ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho an'i Jehovah izany.Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
38Whoever maketh like unto it, to smell it, shall be cut off from his peoples.
38Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.