1And Jehovah spoke to Moses, saying,
1[Ny nanendrena an'i Bezalila sy Oholiaba ho lohan'ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2See, I have called by name Bezaleel the son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah,
2Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda;
3and have filled him with the spirit of God, in wisdom, and in understanding, and in knowledge, and in every work,
3ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa:
4to devise artistic work -- to work in gold, and in silver, and in copper,
4dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
5and in cutting of stones, for setting, and for carving of timber -- to work in all manner of work.
5sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
6And I, behold, I have given with him Aholiab the son of Ahisamach, of the tribe of Dan; and in the heart of every one that is wise-hearted have I given wisdom, that they may make all that I have commanded thee --
6Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
7the tent of meeting and the ark of the testimony, and the mercy-seat that is thereupon, and all the utensils of the tent,
7dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
8and the table and its utensils, and the pure lamp-stand and all its utensils, and the altar of incense;
8sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
9and the altar of burnt-offering and all its utensils, and the laver and its stand;
9sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
10and the garments of service, both the holy garments of Aaron the priest, and the garments of his sons, to serve as priests;
10ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona,
11and the anointing oil, and the incense of fragrant drugs for the sanctuary: according to all that I have commanded thee shall they do.
11ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.
12And Jehovah spoke to Moses, saying,
12[Ny amin'ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
13And thou, speak thou unto the children of Israel, saying, Surely my sabbaths shall ye keep; for this is a sign between me and you throughout your generations, that ye may know that it is I, Jehovah, who do hallow you.
13Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.
14Keep the sabbath, therefore; for it is holy unto you; every one that profaneth it shall certainly be put to death: yea, whoever doeth work on it, that soul shall be cut off from among his peoples.
14Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
15Six days shall work be done; but on the seventh day is the sabbath of rest, holy to Jehovah: whoever doeth work on the sabbath day shall certainly be put to death.
15Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
16And the children of Israel shall keep the sabbath, to observe the sabbath throughout their generations -- [it is] an everlasting covenant.
16Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
17It shall be a sign between me and the children of Israel for ever; for [in] six days Jehovah made the heavens and the earth, and on the seventh day he rested, and was refreshed.
17Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.[Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.
18And he gave to Moses, when he had ended speaking with him on mount Sinai, the two tables of testimony, tables of stone, written with the finger of God.
18[Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.