1Now I say, As long as the heir is a child, he differs nothing from a bondman, though he be lord of all;
1Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza;
2but he is under guardians and stewards until the period fixed by the father.
2fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy.
3So we also, when we were children, were held in bondage under the principles of the world;
3Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao;
4but when the fulness of the time was come, God sent forth his Son, come of woman, come under law,
4fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna,
5that he might redeem those under law, that we might receive sonship.
5hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka.
6But because ye are sons, God has sent out the Spirit of his Son into our hearts, crying, Abba, Father.
6Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
7So thou art no longer bondman, but son; but if son, heir also through God.
7Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.
8But then indeed, not knowing God, ye were in bondage to those who by nature are not gods;
8Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
9but now, knowing God, but rather being known by God, how do ye turn again to the weak and beggarly principles to which ye desire to be again anew in bondage?
9fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
10Ye observe days and months and times and years.
10Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11I am afraid of you, lest indeed I have laboured in vain as to you.
11Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
12Be as *I* [am], for *I* also [am] as *ye*, brethren, I beseech you: ye have not at all wronged me.
12Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
13But ye know that in weakness of the flesh I announced the glad tidings to you at the first;
13nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany;
14and my temptation, which [was] in my flesh, ye did not slight nor reject with contempt; but ye received me as an angel of God, as Christ Jesus.
14ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.
15What then [was] your blessedness? for I bear you witness that, if possible, plucking out your own eyes ye would have given [them] to me.
15Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16So I have become your enemy in speaking the truth to you?
16Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17They are not rightly zealous after you, but desire to shut you out [from us], that ye may be zealous after them.
17Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18But [it is] right to be zealous at all times in what is right, and not only when I am present with you --
18Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
19my children, of whom I again travail in birth until Christ shall have been formed in you:
19Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
20and I should wish to be present with you now, and change my voice, for I am perplexed as to you.
20enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
21Tell me, ye who are desirous of being under law, do ye not listen to the law?
21Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22For it is written that Abraham had two sons; one of the maid servant, and one of the free woman.
22fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo.
23But he [that was] of the maid servant was born according to flesh, and he [that was] of the free woman through the promise.
23Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
24Which things have an allegorical sense; for these are two covenants: one from mount Sinai, gendering to bondage, which is Hagar.
24Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany.
25For Hagar is mount Sinai in Arabia, and corresponds to Jerusalem which [is] now, for she is in bondage with her children;
25Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [ Na: (Fa)]
26but the Jerusalem above is free, which is our mother.
26Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
27For it is written, Rejoice, thou barren that bearest not; break out and cry, thou that travailest not; because the children of the desolate are more numerous than [those] of her that has a husband.
27Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1).
28But *ye*, brethren, after the pattern of Isaac, are children of promise.
28Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka.
29But as then he that was born according to flesh persecuted him [that was born] according to Spirit, so also [it is] now.
29Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
30But what says the scripture? Cast out the maid servant and her son; for the son of the maid servant shall not inherit with the son of the free woman.
30Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
31So then, brethren, we are not maid servant's children, but [children] of the free woman.
31Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.