Darby's Translation

Malagasy

Hosea

2

1Say unto your brethren Ammi; and to your sisters, Ruhamah.
1Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo.
2Plead with your mother, plead; for she is not my wife, neither am I her husband: and let her put away her whoredoms from her face, and her adulteries from between her breasts;
2Dia hiara-mivory ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezirda.
3lest I strip her naked, and set her as in the day that she was born, and make her as a wilderness, and set her as a dry land, and slay her with thirst.
3Manaova amin'ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin'ny anabavinareo hoe: Rohama. [Amy = Oloko][Rohama = Namindrana fo]
4And I will not have mercy upon her children; for they are the children of whoredoms.
4[Ny hamaizana ny Isiraely, sy ny mbola hampodian'i Jehovah azy] Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
5For their mother hath played the harlot; she that conceived them hath done shamefully: for she said, I will go after my lovers, that give [me] my bread and my water, my wool and my flax, mine oil and my drink.
5Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
6Therefore behold, I will hedge up thy way with thorns; and I will fence [her] in with a wall, that she shall not find her paths.
6Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
7And she shall pursue after her lovers, and shall not overtake them; and she shall seek them, and shall not find them: and she shall say, I will go and return to my first husband, for then was it better with me than now.
7Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
8And she did not know that I had given her the corn and the new wine and the oil, and had multiplied to her the silver and gold, which they employed for Baal.
8Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
9Therefore will I return, and take away my corn in the time thereof, and my new wine in its season, and will withdraw my wool and my flax which should have covered her nakedness.
9Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin'izay noho ny ankehitriny.
10And now will I discover her impiety in the sight of her lovers, and none shall deliver her out of my hand.
10Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an'i Bala,[Na: nataony ho]
11And I will cause all her mirth to cease: her feasts, her new moons, and her sabbaths! and all her solemnities.
11Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
12And I will make desolate her vine and her fig-tree, whereof she hath said, These are my rewards which my lovers have given me; and I will make them a forest, and the beasts of the field shall eat them.
12Ary ankehitriny hasehoko eo imason'ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'ny tanako.
13And I will visit upon her the days of the Baals, wherein she burned incense to them, and decked herself with her rings and jewels, and went after her lovers, and forgot me, saith Jehovah.
13Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
14Therefore behold, I will allure her, and bring her into the wilderness, and speak to her heart.
14Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.
15And I will give her her vineyards from thence, and the valley of Achor for a door of hope; and she shall sing there, as in the days of her youth and as in the day when she came up out of the land of Egypt.
15Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
16And it shall be in that day, saith Jehovah, [that] thou shalt call me, My husband, and shalt call me no more, Baali;
16Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
17for I will take away the names of the Baals out of her mouth, and they shall no more be remembered by their name.
17Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.[Na: hihirany]
18And I will make a covenant for them in that day with the beasts of the field, and with the fowl of the heavens, and the creeping things of the ground; and I will break bow and sword and battle out of the land; and I will make them to lie down safely.
18Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.[Balako = Tompoko]
19And I will betroth thee unto me for ever; and I will betroth thee unto me in righteousness, and in judgment, and in loving-kindness, and in mercies;
19Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo.
20and I will betroth thee unto me in faithfulness: and thou shalt know Jehovah.
20Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
21And it shall come to pass in that day, I will hear, saith Jehovah, I will hear the heavens, and they shall hear the earth;
21Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
22and the earth shall hear the corn, and the new wine, and the oil; and they shall hear Jizreel.
22Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.
23And I will sow her unto me in the land; and I will have mercy upon Lo-ruhamah; and I will say to Lo-ammi, Thou art my people; and they shall say, My God.
23Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly]
24Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela,Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6]
25Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6]