1And Jehovah said unto me, Go again, love a woman beloved of a friend, and an adulteress, according to the love of Jehovah for the children of Israel, though they turn to other gods, and love raisin-cakes.
1[Ny amin'ny vehivavy janga anankiray, izay natao tandindon'ny Isiraely] Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian'ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin'izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.[Na: tian'ny sakaizany sady]
2So I bought her to me for fifteen silver [pieces], and for a homer of barley, and a half-homer of barley.
2Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin'ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
3And I said unto her, Thou shalt abide for me many days; thou shalt not play the harlot, and thou shalt not be [another] man's, and I will also be for thee.
3Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.
4For the children of Israel shall abide many days without king, and without prince, and without sacrifice, and without statue, and without ephod and teraphim.
4Fa andro maro no hitoeran'ny Zanak'Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany.
5Afterwards shall the children of Israel return, and seek Jehovah their God, and David their king; and shall turn with fear toward Jehovah and toward his goodness, at the end of the days.
5Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany.