1My soul is weary of my life: I will give free course to my complaint; I will speak in the bitterness of my soul.
1Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
2I will say unto +God, Do not condemn me; shew me wherefore thou strivest with me.
2Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.
3Doth it please thee to oppress, that thou shouldest despise the work of thy hands, and shine upon the counsel of the wicked?
3Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?
4Hast thou eyes of flesh? or seest thou as man seeth?
4Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
5Are thy days as the days of a mortal? are thy years as a man's days,
5Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
6That thou searchest after mine iniquity, and inquirest into my sin;
6No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
7Since thou knowest that I am not wicked, and that there is none that delivereth out of thy hand?
7Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
8Thy hands have bound me together and made me as one, round about; yet dost thou swallow me up!
8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
9Remember, I beseech thee, that thou hast made me as clay, and wilt bring me into dust again.
9Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!
10Hast thou not poured me out as milk, and curdled me like cheese?
10Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
11Thou hast clothed me with skin and flesh, and knit me together with bones and sinews;
11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
12Thou hast granted me life and favour, and thy care hath preserved my spirit;
12Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
13And these things didst thou hide in thy heart; I know that this was with thee.
13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
14If I sinned, thou wouldest mark me, and thou wouldest not acquit me of mine iniquity.
14Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
15If I were wicked, woe unto me! and righteous, I will not lift up my head, being [so] full of shame, and beholding mine affliction; --
15Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16And it increaseth: thou huntest me as a fierce lion; and ever again thou shewest thy marvellous power upon me.
16Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17Thou renewest thy witnesses before me and increasest thy displeasure against me; successions [of evil] and a time of toil are with me.
17Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
18And wherefore didst thou bring me forth out of the womb? I had expired, and no eye had seen me.
18Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
19I should be as though I had not been; I should have been carried from the womb to the grave.
19Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20Are not my days few? cease then and let me alone, that I may revive a little,
20Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21Before I go, and never to return, -- to the land of darkness and the shadow of death;
21Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
22A land of gloom, as darkness itself; of the shadow of death, without any order, where the light is as thick darkness.
22Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.