Darby's Translation

Malagasy

Job

13

1Lo, mine eye hath seen all [this], mine ear hath heard and understood it.
1Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
2What ye know, I know also: I am not inferior to you.
2Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3But I will speak to the Almighty, and will find pleasure in reasoning with ùGod;
3Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4For ye indeed are forgers of lies, ye are all physicians of no value.
4Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
5Oh that ye would be altogether silent! and it would be your wisdom.
5Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
6Hear now my defence, and hearken to the pleadings of my lips.
6Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7Will ye speak unrighteously for ùGod? and for him speak deceit?
7Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
8Will ye accept his person? will ye contend for ùGod?
8Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo
9Will it be well if he should search you out? or as one mocketh at a man, will ye mock at him?
9Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?
10He will certainly reprove you, if ye do secretly accept persons.
10Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
11Shall not his excellency terrify you? and his dread fall upon you?
11Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
12Your memorable sayings are proverbs of ashes, your bulwarks are bulwarks of mire.
12Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13Hold your peace from me, and I will speak, and let come on me what [will]!
13Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
14Wherefore should I take my flesh in my teeth, and put my life in my hand?
14Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
15Behold, if he slay me, yet would I trust in him; but I will defend mine own ways before him.
15Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
16This also shall be my salvation, that a profane man shall not come before his face.
16Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.[Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][Na: ratsy fanahy]
17Hear attentively my speech and my declaration with your ears.
17Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
18Behold now, I have ordered the cause; I know that I shall be justified.
18Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
19Who is he that contendeth with me? For if I were silent now, I should expire.
19Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
20Only do not two things unto me; then will I not hide myself from thee.
20Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
21Withdraw thy hand far from me; and let not thy terror make me afraid:
21Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
22Then call, and I will answer; or I will speak, and answer thou me.
22Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
23How many are mine iniquities and sins? Make me to know my transgression and my sin.
23Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
24Wherefore dost thou hide thy face, and countest me for thine enemy?
24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
25Wilt thou terrify a driven leaf? and wilt thou pursue dry stubble?
25Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
26For thou writest bitter things against me, and makest me to possess the iniquities of my youth;
26Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
27And thou puttest my feet in the stocks, and markest all my paths; thou settest a bound about the soles of my feet; --
27Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
28One who, as a rotten thing consumeth, as a garment that the moth eateth.
28Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.