Darby's Translation

Malagasy

Job

17

1My breath is corrupt, my days are extinct, the graves are mine.
1Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
2Are there not mockers around me? and doth [not] mine eye abide in their provocation?
2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
3Lay down now [a pledge], be thou surety for me with thyself: who is he that striketh hands with me?
3Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
4For thou hast hidden their heart from understanding; therefore thou wilt not exalt [them].
4Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
5He that betrayeth friends for a prey -- even the eyes of his children shall fail.
5Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.
6And he hath made me a proverb of the peoples; and I am become one to be spit on in the face.
6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
7And mine eye is dim by reason of grief, and all my members are as a shadow.
7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8Upright men [shall be] astonished at this, and the innocent shall be stirred up against the ungodly;
8Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40
9But the righteous shall hold on his way, and he that hath clean hands shall increase in strength.
9Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
10But as for you all, pray come on again; and I shall not find one wise man among you.
10Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
11My days are past, my purposes are broken off, the cherished thoughts of my heart.
11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;
12They change the night into day; the light [they imagine] near in presence of the darkness.
12Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
13If I wait, Sheol is my house; I spread my bed in the darkness:
13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
14I cry to the grave, Thou art my father! to the worm, My mother, and my sister!
14Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana]
15And where is then my hope? yea, my hope, who shall see it?
15Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
16It shall go down to the bars of Sheol, when [our] rest shall be together in the dust.
16Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]