1Why are not times treasured up with the Almighty? why do not they that know him see his days?
1Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?
2They remove the landmarks; they violently take away the flocks and pasture them;
2Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.
3They drive away the ass of the fatherless, they take the widow's ox for a pledge;
3Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.
4They turn the needy out of the way: the afflicted of the land all hide themselves.
4Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
5Lo, [as] wild asses in the desert, they go forth to their work, seeking early for the prey: the wilderness [yieldeth] them food for [their] children.
5Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
6They reap in the field the fodder thereof, and they gather the vintage of the wicked;
6Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
7They pass the night naked without clothing, and have no covering in the cold;
7Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
8They are wet with the showers of the mountains, and for want of a shelter embrace the rock ...
8Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
9They pluck the fatherless from the breast, and take a pledge of the poor:
9Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.
10These go naked without clothing, and, hungry, they bear the sheaf;
10Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
11They press out oil within their walls, they tread their winepresses, and suffer thirst.
11Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon'ireny]
12Men groan from out of the city, and the soul of the wounded crieth out; and +God imputeth not the impiety.
12Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
13There are those that rebel against the light; they know not the ways thereof, nor abide in the paths thereof.
13Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.
14The murderer riseth with the light, killeth the afflicted and needy, and in the night is as a thief.
14Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
15And the eye of the adulterer waiteth for the twilight, saying, No eye shall see me; and he putteth a covering on [his] face.
15Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
16In the dark they dig through houses; by day they shut themselves in; they know not the light:
16Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
17For the morning is to them all [as] the shadow of death; for they are familiar with the terrors of the shadow of death.
17Fa ny aizim-pito no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]
18He is swift on the face of the waters; their portion is cursed on the earth: he turneth not unto the way of the vineyards.
18Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.
19Drought and heat consume snow waters; so doth Sheol those that have sinned.
19Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.[Heb. Sheola]
20The womb forgetteth him; the worm feedeth sweetly on him: he shall be no more remembered; and unrighteousness is broken as a tree, --
20Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,[Heb. faharatsiana]
21He that despoileth the barren that beareth not, and doeth not good to the widow:
21Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
22He draweth also the mighty with his power; he riseth up, and no [man] is sure of life.
22Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
23[God] setteth him in safety, and he resteth thereon; but his eyes are upon their ways.
23Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24They are exalted for a little, and are no more; they are laid low; like all [other] are they gathered, and are cut off as the tops of the ears of corn.
24Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
25If it be not so now, who will make me a liar, and make my speech nothing worth?
25Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.