Darby's Translation

Malagasy

Judges

16

1And Samson went to Gazah, and saw there a harlot, and went in to her.
1[Ny nisamboran'ny Filistina an'i Samsona sy ny namalian'i Samsona azy] Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
2[And it was told] the Gazathites, saying, Samson is come hither. And they surrounded [him], and laid wait for him all night at the gate of the city, and were quiet all the night, saying, In the morning light we will kill him.
2Ary nolazaina tamin'ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin'ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.
3And Samson lay till midnight; and he arose at midnight, and seized the doors of the gate of the city, and the two posts, and tore them up with the bar, and put [them] upon his shoulders, and carried them up to the top of the mountain that is before Hebron.
3Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin'ny tanàna mbamin'ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay tandrifin'i Hebrona.
4And it came to pass afterwards that he loved a woman in the valley of Sorek, whose name was Delilah.
4Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.
5And the lords of the Philistines came up to her, and said to her, Persuade him, and see in what his great strength is, and with what we may prevail against him, that we may bind him to overpower him; and we will each give thee eleven hundred silver-pieces.
5Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran'ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.
6Then Delilah said to Samson, Tell me, I pray thee, in what is thy great strength, and with what thou mightest be bound to overpower thee.
6Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Masìna ianao, lazao amiko izay itoeran'ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao.
7And Samson said to her, If they should bind me with seven fresh cords which have not been dried, then should I be weak, and be as another man.
7Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
8Then the lords of the Philistines brought up to her seven fresh cords which had not been dried, and she bound him with them.
8Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan'ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin'ireny ravehivavy.
9Now she had liers in wait abiding in the chamber; and she said to him, The Philistines are upon thee, Samson! And he broke the cords, as a thread of tow is broken when it touches the fire; and his strength was not known.
9Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an'efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin'i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton'ny taretra rongony, raha lelafin'ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
10And Delilah said to Samson, Behold, thou hast mocked me and told me lies. Now tell me, I pray thee, with what thou mightest be bound.
10Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.
11And he said to her, If they should bind me fast with new ropes, with which no work has been done, then should I be weak, and be as another man.
11Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
12And Delilah took new ropes, and bound him with them, and said to him, The Philistines are upon thee, Samson! Now there were liers in wait abiding in the chamber. And he broke them from off his arms like a thread.
12Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an'efi-trano. Dia notosan'i Samsona ho afaka amin'ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton'ny taretra.
13And Delilah said to Samson, Hitherto thou hast mocked me and told me lies. Tell me with what thou mightest be bound. And he said to her, If thou shouldest weave the seven locks of my head with the web.
13Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako.
14And she fastened it with the pin, and said to him, The Philistines are upon thee, Samson! And he awoke out of his sleep, and tore out the pin of the beam, and the web.
14Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.
15Then she said to him, How canst thou say, I love thee, when thy heart is not with me? these three times hast thou mocked me, and hast not told me in what is thy great strength.
15Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran'ny herinao lehibe.
16And it came to pass when she pressed him daily with her words and urged him, that his soul was vexed unto death;
16Ary rehefa nitorikisina taminy isan'andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.
17and he told her all his heart, and said to her, There has not come a razor upon my head; for I am a Nazarite of God from my mother's womb; if I should be shaven, then my strength would go from me, and I should be weak, and be like all mankind.
17Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
18And Delilah saw that he had told her all his heart, and she sent and called for the lords of the Philistines, saying, Come up this time, for he has told me all his heart. And the lords of the Philistines came up to her, and brought the money in their hand.
18Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
19And she made him sleep upon her knees, and called a man, and she caused him to shave off the seven locks of his head; and she began to overpower him, and his strength went from him.
19Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
20And she said, The Philistines are upon thee, Samson! And he awoke out of his sleep, and thought, I will go out as at other times before, and disengage myself. And he knew not that Jehovah had departed from him.
20Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
21And the Philistines seized him, and put out his eyes, and brought him down to Gazah, and bound him with fetters of bronze; and he had to grind in the prison-house.
21Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
22But the hair of his head began to grow after he was shaved.
22Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.
23Then the lords of the Philistines gathered together to sacrifice a great sacrifice to Dagon their god, and to rejoice; for they said, Our god has given Samson our enemy into our hands.
23Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
24And when the people saw him, they praised their god; for they said, Our god has given into our hands our enemy, and the destroyer of our country, even him who multiplied our slain.
24Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.
25And it came to pass when their hearts were merry, that they said, Call for Samson, that he may make us sport. And they called for Samson out of the prison-house, and he played before them; and they set him between the pillars.
25Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an'i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan'ny andry izy.
26And Samson said to the lad that held him by the hand, Let loose of me, and suffer me to feel the pillars upon which the house stands, that I may lean upon them.
26Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy.
27Now the house was full of men and women; and all the lords of the Philistines were there; and upon the roof there were about three thousand men and women, who looked on while Samson made sport.
27Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.
28And Samson called to Jehovah, and said, Lord Jehovah, remember me, I pray thee, and strengthen me, I pray thee, only this once, O God, that I may take one vengeance upon the Philistines for my two eyes.
28Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.
29And Samson took hold of the two middle pillars upon which the house stood (and he supported himself upon them), the one with his right hand and the other with his left.
29Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
30And Samson said, Let me die with the Philistines! And he bowed himself with might; and the house fell on the lords, and on all the people that were therein. So the dead that he slew at his death were more than those whom he had slain in his life.
30Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
31And his brethren came down, and all the house of his father, and took him, and brought him up, and buried him between Zoreah and Eshtaol in the sepulchre of Manoah his father. And he had judged Israel twenty years.
31Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.