1And Jehovah spoke to Moses and to Aaron, saying,
1[Ny lalàna ny amin'ny fitsihana sy ny fadim-bolana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2Speak unto the children of Israel, and say unto them, If any man have a flux from his flesh, because of his flux he is unclean.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
3And this shall be his uncleanness in his flux: whether his flesh run with his flux, or his flesh be closed from his flux, it is his uncleanness.
3Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
4Every bed whereon he lieth that hath the flux shall be unclean; and every object on which he sitteth shall be unclean.
4Maloto ny fandriana rehetra izay andrian'ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
5And whoever toucheth his bed shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
5Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
6And he that sitteth on any object whereon he sat that hath the flux shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
6Ary izay mipetraka amin'ny zavatra izay efa nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
7And he that toucheth the flesh of him that hath the flux shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
7Ary izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
8And if he that hath the flux spit upon him that is clean, then he shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
8Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro
9And what carriage soever he rideth upon that hath the flux shall be unclean.
9Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan'ny marary mitsika.
10And whoever toucheth anything that was under him shall be unclean until the even; and he that carrieth them shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
10Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
11And whomsoever he toucheth who hath the flux and hath not rinsed his hands in water -- he shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
11Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
12And the vessel of earth that he toucheth who hath the flux shall be broken; and every vessel of wood shall be rinsed in water.
12Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
13And when he that hath a flux is clean of his flux, then he shall count seven days for his cleansing, and wash his clothes, and bathe his flesh in running water, and he shall be clean.
13Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio.
14And on the eighth day he shall take two turtle-doves, or two young pigeons, and come before Jehovah unto the entrance of the tent of meeting, and give them unto the priest.
14Ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin'ny mpisorona izy.
15And the priest shall offer them, one as a sin-offering, and one as a burnt-offering; and the priest shall make atonement for him before Jehovah for his flux.
15Dia haterin'ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
16And if any man's seed of copulation pass from him, then he shall bathe his whole flesh in water, and be unclean until the even.
16Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
17And every garment, and every skin, whereon the seed of copulation shall be, shall be washed with water, and be unclean until the even.
17ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany.
18And a woman with whom a man lieth with seed of copulation -- they shall bathe in water, and be unclean until the even.
18Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
19And if a woman have a flux, and her flux in her flesh be blood, she shall be seven days in her separation, and whoever toucheth her shall be unclean until the even.
19Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
20And everything that she lieth upon in her separation shall be unclean; and everything that she sitteth upon shall be unclean.
20Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
21And whoever toucheth her bed shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
21Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
22And whoever toucheth any object that she sat upon shall wash his garments, and bathe in water, and be unclean until the even.
22Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
23And if it be on the bed, or on anything whereon she sitteth, when he toucheth it, he shall be unclean until the even.
23Ary raha ao amin'ny fandriana izany, na ao amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
24And if a man lie with her at all, and the uncleanness of her separation come upon him, he shall be unclean seven days; and every bed whereon he lieth shall be unclean.
24Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
25And if a woman have her flux of blood many days out of the time of her separation, or if she have the flux beyond the time of her separation, all the days of the flux of her uncleanness shall she be as [in] the days of her separation: she is unclean.
25Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany ihany.
26Every bed whereon she lieth all the days of her flux shall be unto her as the bed of her separation; and every object on which she sitteth shall be unclean, according to the uncleanness of her separation.
26Ny fandriana rehetra andriany amin'ny andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin'ny fadim-bolany.
27And whoever toucheth them shall be unclean, and shall wash his clothes, and bathe in water, and be unclean until the even.
27Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
28And if she be cleansed of her flux then she shall count seven days, and after that she shall be clean.
28Fa raha sitrana amin'ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
29And on the eighth day she shall take two turtle-doves, or two young pigeons, and bring them unto the priest, unto the entrance of the tent of meeting.
29Ary amin'ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
30And the priest shall offer the one as a sin-offering, and the other as a burnt-offering; and the priest shall make atonement for her before Jehovah for the flux of her uncleanness.
30Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
31And ye shall separate the children of Israel from their uncleanness, that they die not in their uncleanness, when they defile my tabernacle that is in their midst.
31Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
32This is the law for him that hath a flux, and for the one whose seed of copulation goeth from him, and who is defiled therewith:
32Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.
33and for a woman who is sick in her separation, and for him that hath his flux; for the man and for the woman, and for him that lieth with her that is unclean.
33ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.