1And Jehovah spoke to Moses after the death of the two sons of Aaron, when they came near before Jehovah and died;
1[Ny Andro Fanavotana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak'i Arona, tamin'izy nanatona teo anatrehan'i Jehovah ka maty;
2and Jehovah said to Moses, Speak unto Aaron thy brother, that he come not at all times into the sanctuary inside the veil before the mercy-seat which is upon the ark, that he die not; for I will appear in the cloud upon the mercy-seat.
2dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
3In this manner shall Aaron come into the sanctuary: with a young bullock for a sin-offering, and a ram for a burnt-offering.
3Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
4A holy linen vest shall he put on, and linen trousers shall be upon his flesh, and he shall be girded with a linen girdle, and with the linen mitre shall he be attired: these are holy garments; and he shall bathe his flesh in water, and put them on.
4Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo azy.
5And of the assembly of the children of Israel shall he take two bucks of the goats for a sin-offering, and one ram for a burnt-offering.
5Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
6And Aaron shall present the bullock of the sin-offering, which is for himself, and make atonement for himself, and for his house.
6Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.
7And he shall take the two goats, and set them before Jehovah, before the entrance of the tent of meeting.
7Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
8And Aaron shall cast lots upon the two goats: one lot for Jehovah, and the other lot for Azazel.
8Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'i Azazela.
9And Aaron shall present the goat upon which the lot fell for Jehovah, and offer it [as] a sin-offering.
9Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
10And the goat upon which the lot fell for Azazel shall be set alive before Jehovah, to make atonement with it, to send it away as Azazel into the wilderness.
10Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.
11And Aaron shall present the bullock of the sin-offering, which is for himself, and shall make atonement for himself and for his house, and shall slaughter the bullock of the sin-offering which is for himself.
11Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany.
12And he shall take the censer full of burning coals of fire from off the altar before Jehovah, and both his hands full of fragrant incense beaten small, and bring it inside the veil.
12Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba.
13And he shall put the incense upon the fire before Jehovah, that the cloud of the incense may cover the mercy-seat which is upon the testimony, that he die not.
13Ary hataony eo amin'ny afo eo anatrehan'i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
14And he shall take of the blood of the bullock, and sprinkle with his finger upon the front of the mercy-seat eastward; and before the mercy-seat shall he sprinkle of the blood seven times with his finger.
14Dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy ka hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony.
15And he shall slaughter the goat of the sin-offering, which is for the people, and bring its blood inside the veil, and do with its blood as he did with the blood of the bullock, and sprinkle it upon the mercy-seat, and before the mercy-seat;
15Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ny vantotr'ombilahy ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
16and he shall make atonement for the sanctuary, [to cleanse it] from the uncleanness of the children of Israel, and from their transgressions in all their sins; and so shall he do for the tent of meeting which dwelleth among them in the midst of their uncleanness.
16Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an'ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan'ny fahalotoany.
17And there shall be no man in the tent of meeting when he goeth in to make atonement in the sanctuary until he come out; and he shall make atonement for himself, and for his house, and for the whole congregation of Israel.
17Ary aza avela hisy olona ao amin'ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
18And he shall go out unto the altar which is before Jehovah, and make atonement for it; and shall take of the blood of the bullock, and of the goat, and put it upon the horns of the altar round about;
18Dia hivoaka ho eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny alitara; dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka hatentiny amin'ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra.
19and he shall sprinkle upon it of the blood with his finger seven times, and cleanse it, and hallow it from the uncleannesses of the children of Israel.
19Dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin'ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely.
20And when he hath ended making atonement for the sanctuary, and the tent of meeting, and the altar, he shall present the living goat;
20Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an'ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
21and Aaron shall lay both his hands on the head of the living goat, and confess over it all the iniquities of the children of Israel, and all their transgressions in all their sins, and he shall put them on the head of the goat, and shall send him away to the wilderness by the hand of a man standing ready;
21Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin'ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
22that the goat may bear upon him all their iniquities to a land apart [from men]; and he shall send away the goat into the wilderness.
22Ary ho entin'ny osilahy ho any an-efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
23And Aaron shall go into the tent of meeting, and shall put off the linen garments, which he put on when he went into the sanctuary, and shall leave them there;
23Dia hiditra ao amin'ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin'ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.
24and he shall bathe his flesh with water in a holy place, and put on his garments, and go forth, and offer his burnt-offering, and the burnt-offering of the people, and make atonement for himself, and for the people.
24Dia handro amin'ny rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona.
25And the fat of the sin-offering shall he burn upon the altar.
25Ary ny saboran'ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara.
26And he that letteth go the goat for Azazel shall wash his clothes, and bathe his flesh in water; and afterwards he may come into the camp.
26Ary ilay mandefa ny osilahy ho an'i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
27And the bullock of the sin-offering, and the goat of the sin-offering whose blood was brought in to make atonement in the sanctuary, shall one carry forth outside the camp; and they shall burn with fire their skins, and their flesh, and their dung.
27Ary ny vantotr'ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin'ny fitoerana masina ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan'ny amin'ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
28And he that burneth them shall wash his clothes, and bathe his flesh in water; and afterwards he may come into the camp.
28Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
29And this shall be an everlasting statute unto you. In the seventh month, on the tenth of the month, ye shall afflict your souls, and do no work at all, the home-born, and the stranger that sojourneth among you;
29Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
30for on that day shall atonement be made for you, to cleanse you: from all your sins shall ye be clean before Jehovah.
30Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo
31A sabbath of rest shall it be unto you, and ye shall afflict your souls: [it is] an everlasting statute.
31Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
32And the priest who hath been anointed, and who hath been consecrated, to exercise the priesthood in his father's stead, shall make atonement; and he shall put on the linen garments, the holy garments.
32Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina.
33And he shall make atonement for the holy sanctuary; and for the tent of meeting, and for the altar shall he make atonement; and for the priests, and for the whole people of the congregation shall he make atonement.
33Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin'ny fiangonana.Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
34And this shall be an everlasting statute unto you, to make atonement for the children of Israel [to cleanse them] from all their sins once a year. And he did as Jehovah had commanded Moses.
34Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.