1And all the tax-gatherers and the sinners were coming near to him to hear him;
1Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy.
2and the Pharisees and the scribes murmured, saying, This [man] receives sinners and eats with them.
2Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.
3And he spoke to them this parable, saying,
3Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:
4What man of you having a hundred sheep, and having lost one of them, does not leave the ninety and nine in the wilderness and go after that which is lost, until he find it?
4Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
5and having found it, he lays it upon his own shoulders, rejoicing;
5ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
6and being come to the house, calls together the friends and the neighbours, saying to them, Rejoice with me, for I have found my lost sheep.
6ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.
7I say unto you, that thus there shall be joy in heaven for one repenting sinner, [more] than for ninety and nine righteous who have no need of repentance.
7Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
8Or, what woman having ten drachmas, if she lose one drachma, does not light a lamp and sweep the house and seek carefully till she find it?
8Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?[Gr.drakma]
9and having found it she calls together the friends and neighbours, saying, Rejoice with me, for I have found the drachma which I had lost.
9Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very.[Gr. drakma]
10Thus, I say unto you, there is joy before the angels of God for one repenting sinner.
10Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.
11And he said, A certain man had two sons;
11Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.
12and the younger of them said to his father, Father, give to me the share of the property that falls [to me]. And he divided to them what he was possessed of.
12Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany.
13And after not many days the younger son gathering all together went away into a country a long way off, and there dissipated his property, living in debauchery.
13Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany.
14But when he had spent all there arose a violent famine throughout that country, and he began to be in want.
14Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy.
15And he went and joined himself to one of the citizens of that country, and he sent him into his fields to feed swine.
15Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.
16And he longed to fill his belly with the husks which the swine were eating; and no one gave to him.
16Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.
17And coming to himself, he said, How many hired servants of my father's have abundance of bread, and *I* perish here by famine.
17Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!
18I will rise up and go to my father, and I will say to him, Father, I have sinned against heaven and before thee;
18Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho
19I am no longer worthy to be called thy son: make me as one of thy hired servants.
19ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho.
20And he rose up and went to his own father. But while he was yet a long way off, his father saw him, and was moved with compassion, and ran, and fell upon his neck, and covered him with kisses.
20Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
21And the son said to him, Father, I have sinned against heaven and before thee; I am no longer worthy to be called thy son.
21Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.
22But the father said to his bondmen, Bring out the best robe and clothe him in [it], and put a ring on his hand and sandals on his feet;
22Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
23and bring the fatted calf and kill it, and let us eat and make merry:
23ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;
24for this my son was dead and has come to life, was lost and has been found. And they began to make merry.
24fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
25And his elder son was in the field; and as, coming [up], he drew nigh to the house, he heard music and dancing.
25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.
26And having called one of the servants, he inquired what these things might be.
26Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany.
27And he said to him, Thy brother is come, and thy father has killed the fatted calf because he has received him safe and well.
27Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.
28But he became angry and would not go in. And his father went out and besought him.
28Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.
29But he answering said to his father, Behold, so many years I serve thee, and never have I transgressed a commandment of thine; and to me hast thou never given a kid that I might make merry with my friends:
29Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako;
30but when this thy son, who has devoured thy substance with harlots, is come, thou hast killed for him the fatted calf.
30fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao.
31But he said to him, Child, *thou* art ever with me, and all that is mine is thine.
31Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
32But it was right to make merry and rejoice, because this thy brother was dead and has come to life again, and was lost and has been found.
32Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.