Darby's Translation

Malagasy

Luke

20

1And it came to pass on one of the days, as he was teaching the people in the temple, and announcing the glad tidings, the chief priests and the scribes with the elders came up,
1Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
2and spoke to him saying, Tell us by what authority thou doest these things, or who is it who has given thee this authority?
2ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
3And he answering said to them, *I* also will ask you [one] thing, and tell me:
3Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
4The baptism of John, was it of heaven or of men?
4Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona?
5And they reasoned among themselves, saying, If we should say, Of heaven, he will say, Why have ye not believed him?
5Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
6but if we should say, Of men, the whole people will stone us, for they are persuaded that John was a prophet.
6Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
7And they answered, they did not know whence.
7Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
8And Jesus said to them, Neither do *I* tell you by what authority I do these things.
8Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
9And he began to speak to the people this parable: A man planted a vineyard and let it out to husbandmen, and left the country for a long time.
9Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
10And in the season he sent to the husbandmen a bondman, that they might give to him of the fruit of the vineyard; but the husbandmen, having beaten him, sent [him] away empty.
10Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
11And again he sent another bondman; but they, having beaten him also, and cast insult upon him, sent [him] away empty.
11Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
12And again he sent a third; and they, having wounded him also, cast [him] out.
12Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
13And the lord of the vineyard said, What shall I do? I will send my beloved son: perhaps when they see him they will respect [him].
13Dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
14But when the husbandmen saw him, they reasoned among themselves, saying, This is the heir; [come,] let us kill him, that the inheritance may become ours.
14Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
15And having cast him forth out of the vineyard, they killed [him]. What therefore shall the lord of the vineyard do to them?
15Dia namoaka azy tany ivelan'ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin'izany?
16He will come and destroy those husbandmen, and will give the vineyard to others. And when they heard it they said, May it never be!
16Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
17But he looking at them said, What then is this that is written, The stone which they that builded rejected, this has become the corner-stone?
17Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro? (Sal. 118. 22).
18Every one falling on this stone shall be broken, but on whomsoever it shall fall, it shall grind him to powder.
18Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
19And the chief priests and the scribes sought the same hour to lay hands on him, and they feared the people; for they knew that he had spoken this parable of them.
19Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
20And having watched [him], they sent out suborned persons, pretending to be just men, that they might take hold of him in [his] language, so that they might deliver him up to the power and authority of the governor.
20Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora.
21And they asked him saying, Teacher, we know that thou sayest and teachest rightly, and acceptest no [man's] person, but teachest with truth the way of God:
21Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra:
22Is it lawful for us to give tribute to Caesar, or not?
22Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia?
23But perceiving their deceit he said to them, Why do ye tempt me?
23Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
24Shew me a denarius. Whose image and superscription has it? And answering they said, Caesar's.
24Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara.
25And he said to them, Pay therefore what is Caesar's to Caesar, and what is God's to God.
25Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
26And they were not able to take hold of him in [his] expressions before the people, and, wondering at his answer, they were silent.
26Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
27And some of the Sadducees, who deny that there is any resurrection, coming up [to him],
27Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
28demanded of him saying, Teacher, Moses wrote to us, If any one's brother, who has a wife, die, and he die childless, his brother shall take the wife and raise up seed to his brother.
28Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
29There were then seven brethren: and the first, having taken a wife, died childless;
29Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
30and the second [took the woman, and *he* died childless];
30Ary ny faharoa
31and the third took her: and in like manner also the seven left no children and died;
31sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
32and last of all the woman also died.
32Ary farany dia maty koa ravehivavy.
33In the resurrection therefore of which of them does she become wife, for the seven had her as wife?
33Koa amin'ny fitsanganan'ny maty ho vadin'iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
34And Jesus said to them, The sons of this world marry and are given in marriage,
34Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak'izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
35but they who are counted worthy to have part in that world, and the resurrection from among [the] dead, neither marry nor are given in marriage;
35fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
36for neither can they die any more, for they are equal to angels, and are sons of God, being sons of the resurrection.
36ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
37But that the dead rise, even Moses shewed in [the section of] the bush, when he called [the] Lord the God of Abraham and the God of Isaac and the God of Jacob;
37Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6).
38but he is not God of [the] dead but of [the] living; for all live for him.
38Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.
39And some of the scribes answering said, Teacher, thou hast well spoken.
39Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
40For they did not dare any more to ask him anything.
40Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
41And he said to them, How do they say that the Christ is David's son,
41Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida?
42and David himself says in the book of Psalms, The Lord said to my Lord, Sit at my right hand
42Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
43until I put thine enemies [as] footstool of thy feet?
43Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal. 110. 1).
44David therefore calls him Lord, and how is he his son?
44Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?
45And, as all the people were listening, he said to his disciples,
45Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra:
46Beware of the scribes, who like to walk about in long robes, and who love salutations in the market-places, and first seats in the synagogues, and first places at suppers;
46Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
47who devour the houses of widows, and as a pretext make long prayers. These shall receive a severer judgment.
47ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.