1And he looked up and saw the rich casting their gifts into the treasury;
1Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;
2but he saw also a certain poor widow casting therein two mites.
2ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.[ Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray, tokony ho variroaventy]
3And he said, Verily I say unto you, that this poor widow has cast in more than all;
3Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
4for all these out of their abundance have cast into the gifts [of God]; but she out of her need has cast in all the living which she had.
4Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
5And as some spoke of the temple, that it was adorned with goodly stones and consecrated offerings, he said,
5Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
6[As to] these things which ye are beholding, days are coming in which there shall not be left stone upon stone which shall not be thrown down.
6Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
7And they asked him saying, Teacher, when then shall these things be; and what [is] the sign when these things are going to take place?
7Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
8And he said, See that ye be not led astray, for many shall come in my name, saying, *I* am [he], and the time is drawn nigh: go ye not [therefore] after them.
8Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
9And when ye shall hear of wars and tumults, be not terrified, for these things must first take place, but the end is not immediately.
9Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.
10Then he said to them, Nation shall rise up against nation, and kingdom against kingdom;
10Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
11there shall be both great earthquakes in different places, and famines and pestilences; and there shall be fearful sights and great signs from heaven.
11Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
12But before all these things they shall lay their hands upon you and persecute you, delivering [you] up to synagogues and prisons, bringing [you] before kings and governors on account of my name;
12Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13but it shall turn out to you for a testimony.
13Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
14Settle therefore in your hearts not to meditate beforehand [your] defence,
14Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
15for *I* will give you a mouth and wisdom which all your opposers shall not be able to reply to or resist.
15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
16But ye will be delivered up even by parents and brethren and relations and friends, and they shall put to death [some] from among you,
16Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17and ye will be hated of all for my name's sake.
17Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18And a hair of your head shall in no wise perish.
18Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
19By your patient endurance gain your souls.
19Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
20But when ye see Jerusalem encompassed with armies, then know that its desolation is drawn nigh.
20Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
21Then let those who are in Judaea flee to the mountains, and those who are in the midst of it depart out, and those who are in the country not enter into it;
21Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
22for these are days of avenging, that all the things that are written may be accomplished.
22Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
23But woe to them that are with child and to them who give suck in those days, for there shall be great distress upon the land and wrath upon this people.
23Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.
24And they shall fall by the edge of the sword, and be led captive into all the nations; and Jerusalem shall be trodden down of [the] nations until [the] times of [the] nations be fulfilled.
24Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
25And there shall be signs in sun and moon and stars, and upon the earth distress of nations in perplexity [at] the roar of the sea and rolling waves,
25Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,
26men ready to die through fear and expectation of what is coming on the habitable earth, for the powers of the heavens shall be shaken.
26ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[ Na: ka hisy ho faty aza]
27And then shall they see the Son of man coming in a cloud with power and great glory.
27Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
28But when these things begin to come to pass, look up and lift up your heads, because your redemption draws nigh.
28Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
29And he spoke a parable to them: Behold the fig-tree and all the trees;
29Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
30when they already sprout, ye know of your own selves, [on] looking [at them], that already the summer is near.
30Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
31So also *ye*, when ye see these things take place, know that the kingdom of God is near.
31Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.
32Verily I say unto you, that this generation shall in no wise pass away until all come to pass.
32Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
33The heaven and the earth shall pass away, but my words shall in no wise pass away.
33Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
34But take heed to yourselves lest possibly your hearts be laden with surfeiting and drinking and cares of life, and that day come upon you suddenly unawares;
34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
35for as a snare shall it come upon all them that dwell upon the face of the whole earth.
35Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany.
36Watch therefore, praying at every season, that ye may be accounted worthy to escape all these things which are about to come to pass, and to stand before the Son of man.
36Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
37And by day he was teaching in the temple, and by night, going out, he remained abroad on the mountain called [the mount] of Olives;
37Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.
38and all the people came early in the morning to him in the temple to hear him.
38Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.