Darby's Translation

Malagasy

Mark

12

1And he began to say to them in parables, A man planted a vineyard, and made a fence round [it] and dug a wine-vat, and built a tower, and let it out to husbandmen, and left the country.
1Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
2And he sent a bondman to the husbandmen at the season, that he might receive from the husbandmen of the fruit of the vineyard.
2Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka.
3But they took him, and beat [him], and sent [him] away empty.
3Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
4And again he sent to them another bondman; and [at] him they [threw stones, and] struck [him] on the head, and sent [him] away with insult.
4Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
5And [again] he sent another, and him they killed; and many others, beating some and killing some.
5Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
6Having yet therefore one beloved son, he sent also him to them the last, saying, They will have respect for my son.
6Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
7But those husbandmen said to one another, This is the heir: come, let us kill him and the inheritance will be ours.
7Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
8And they took him and killed him, and cast him forth out of the vineyard.
8Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.
9What therefore shall the lord of the vineyard do? He will come and destroy the husbandmen, and will give the vineyard to others.
9Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
10Have ye not even read this scripture, The stone which they that builded rejected, this has become the corner-stone:
10Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
11this is of [the] Lord, and it is wonderful in our eyes?
11Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.)
12And they sought to lay hold of him, and they feared the crowd; for they knew that he had spoken the parable of them. And they left him and went away.
12Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.
13And they send to him certain of the Pharisees and of the Herodians, that they might catch him in speaking.
13Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.
14And they come and say to him, Teacher, we know that thou art true, and carest not for any one; for thou regardest not men's person, but teachest the way of God with truth: Is it lawful to give tribute to Caesar or not?
14Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
15Should we give, or should we not give? But he knowing their hypocrisy said unto them, Why tempt ye me? Bring me a denarius that I may see [it].
15Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.
16And they brought [it]. And he says to them, Whose [is] this image and superscription? And they said to him, Caesar's.
16Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.
17And Jesus answering said to them, Pay what is Caesar's to Caesar, and what is God's to God. And they wondered at him.
17Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
18And Sadducees come to him, that say there is no resurrection; and they demanded of him saying,
18Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
19Teacher, Moses wrote to us that if any one's brother die, and leave a wife behind, and leave no children, that his brother shall take his wife, and raise up seed to his brother.
19Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
20There were seven brethren; and the first took a wife, and dying did not leave seed;
20Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
21and the second took her and died, and neither did he leave seed; and the third likewise.
21Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
22And the seven [took her and] did not leave seed. Last of all the woman also died.
22Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
23In the resurrection, when they shall rise again, of which of them shall she be wife, for the seven had her as wife?
23Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
24And Jesus answering said to them, Do not ye therefore err, not knowing the scriptures, nor the power of God?
24Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
25For when they rise from among [the] dead they neither marry, nor are given in marriage, but are as angels [who are] in the heavens.
25Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
26But concerning the dead that they rise, have ye not read in the book of Moses, in [the section of] the bush, how God spoke to him, saying, *I* [am] the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob?
26Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.)
27He is not the God of [the] dead, but of [the] living. *Ye* therefore greatly err.
27Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo.
28And one of the scribes who had come up, and had heard them reasoning together, perceiving that he had answered them well, demanded of him, Which is [the] first commandment of all?
28Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?
29And Jesus answered him, [The] first commandment of all [is], Hear, Israel: the Lord our God is one Lord;
29Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
30and thou shalt love the Lord thy God with all thy heart, and with all thy soul, and with all thine understanding, and with all thy strength. This is [the] first commandment.
30koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5).
31And a second like it [is] this: Thou shalt love thy neighbour as thyself. There is not another commandment greater than these.
31Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32And the scribe said to him, Right, teacher; thou hast spoken according to [the] truth. For he is one, and there is none other besides him;
32Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
33and to love him with all the heart, and with all the intelligence, and with all the soul, and with all the strength, and to love one's neighbour as one's self, is more than all the burnt-offerings and sacrifices.
33Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
34And Jesus, seeing that he had answered intelligently, said to him, Thou art not far from the kingdom of God. And no one dared question him any more.
34Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35And Jesus answering said [as he was] teaching in the temple, How do the scribes say that the Christ is son of David?
35Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida?
36[for] David himself said [speaking] in the Holy Spirit, The Lord said to my Lord, Sit on my right hand until I put thine enemies [as] footstool of thy feet.
36Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
37David himself [therefore] calls him Lord, and whence is he his son? And the mass of the people heard him gladly.
37Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
38And he said to them in his doctrine, Beware of the scribes, who like to walk about in long robes, and salutations in the marketplaces,
38Ary hoy Izy amin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain'olona eny an-tsena,
39and first seats in the synagogues, and first places at suppers;
39ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana,
40who devour the houses of widows, and as a pretext make long prayers. These shall receive a severer judgment.
40ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
41And Jesus, having sat down opposite the treasury, saw how the crowd was casting money into the treasury; and many rich cast in much.
41Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
42And a poor widow came and cast in two mites, which is a farthing.
42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.[Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy]
43And having called his disciples to [him] he said to them, Verily I say unto you, This poor widow has cast in more than all who have cast into the treasury:
43Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra.Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
44for all have cast in of that which they had in abundance, but she of her destitution has cast in all that she had, the whole of her living.
44Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.