Darby's Translation

Malagasy

Mark

14

1Now the passover and the [feast of] unleavened bread was after two days. And the chief priests and the scribes were seeking how they might seize him by subtlety and kill him.
1Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
2For they said, Not in the feast, lest perhaps there be a tumult of the people.
2Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
3And when he was in Bethany, in the house of Simon the leper, as he lay at table, there came a woman having an alabaster flask of ointment of pure nard, very costly; and having broken the alabaster flask, she poured it out upon his head.
3Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.
4And there were some indignant in themselves, and saying, Why has this waste been made of the ointment?
4Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
5for this ointment could have been sold for more than three hundred denarii and given to the poor. And they spoke very angrily at her.
5Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
6But Jesus said, Let her alone; why do ye trouble her? she has wrought a good work as to me;
6Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
7for ye have the poor always with you, and whenever ye would ye can do them good; but me ye have not always.
7Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
8What *she* could she has done. She has beforehand anointed my body for the burial.
8Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
9And verily I say unto you, Wheresoever these glad tidings may be preached in the whole world, what this [woman] has done shall be also spoken of for a memorial of her.
9Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
10And Judas Iscariote, one of the twelve, went away to the chief priests that he might deliver him up to them;
10Ary Jodasy Iskariota, ilay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona hamadika an'i Jesosy aminy.
11and they, when they heard it, rejoiced, and promised him to give money. And he sought how he could opportunely deliver him up.
11Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
12And the first day of unleavened bread, when they slew the passover, his disciples say to him, Where wilt thou that we go and prepare, that thou mayest eat the passover?
12Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
13And he sends two of his disciples, and says to them, Go into the city, and a man shall meet you carrying a pitcher of water; follow him.
13Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
14And wheresoever he enters, say to the master of the house, The Teacher says, Where is my guest-chamber where I may eat the passover with my disciples?
14Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
15and *he* will shew you a large upper room furnished ready. There make ready for us.
15Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
16And his disciples went away and came into the city, and found as he had said to them; and they made ready the passover.
16Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
17And when evening was come, he comes with the twelve.
17Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.
18And as they lay at table and were eating, Jesus said, Verily I say to you, One of you shall deliver me up; he who is eating with me.
18Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
19And they began to be grieved, and to say to him, one by one, Is it *I*? [and another, Is it *I*?]
19Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
20But he answered and said to them, One of the twelve, he who dips with me in the dish.
20Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy.
21The Son of man goes indeed as it is written concerning him, but woe to that man by whom the Son of man is delivered up; [it were] good for that man if he had not been born.
21Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
22And as they were eating, Jesus, having taken bread, when he had blessed, broke [it], and gave [it] to them, and said, Take [this]: this is my body.
22Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
23And having taken [the] cup, when he had given thanks, he gave [it] to them, and they all drank out of it.
23Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany.
24And he said to them, This is my blood, that of the [new] covenant, that shed for many.
24Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.[Na: fanekena vaovao]
25Verily I say to you, I will no more drink at all of the fruit of the vine, until that day when I drink it new in the kingdom of God.
25Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
26And having sung a hymn, they went out to the mount of Olives.
26Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
27And Jesus says to them, All ye shall be offended, for it is written, I will smite the shepherd, and the sheep shall be scattered abroad.
27Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak. 13. 7).
28But after I am risen, I will go before you into Galilee.
28Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
29But Peter said to him, Even if all should be offended, yet not *I*.
29Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
30And Jesus says to him, Verily I say to thee, that thou to-day, in this night, before [the] cock shall crow twice, thou shalt thrice deny me.
30Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin'ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
31But he said [so much] exceedingly the more, If I should have to die with thee, I will in no wise deny thee. And likewise said they all too.
31Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.
32And they come to a place of which the name [is] Gethsemane, and he says to his disciples, Sit here while I shall pray.
32Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
33And he takes with him Peter and James and John, and he began to be amazed and oppressed in spirit.
33Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
34And he says to them, My soul is full of grief even unto death; abide here and watch.
34Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
35And, going forward a little, he fell upon the earth; and he prayed that, if it were possible, the hour might pass away from him.
35Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.
36And he said, Abba, Father, all things are possible to thee: take away this cup from me; but not what *I* will, but what *thou* [wilt].
36Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
37And he comes and finds them sleeping. And he says to Peter, Simon, dost thou sleep? Hast thou not been able to watch one hour?
37Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
38Watch and pray, that ye enter not into temptation. The spirit indeed [is] willing, but the flesh weak.
38Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
39And going away, he prayed again, saying the same thing.
39Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
40And returning, he found them again sleeping, for their eyes were heavy; and they knew not what they should answer him.
40Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
41And he comes the third time and says to them, Sleep on now, and take your rest. It is enough; the hour is come; behold, the Son of man is delivered up into the hands of sinners.
41Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.
42Arise, let us go; behold, he that delivers me up has drawn nigh.
42Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
43And immediately, while he was yet speaking, Judas comes up, [being] one of the twelve, and with him a great crowd, with swords and sticks, from the chief priests and the scribes and the elders.
43Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
44Now he that delivered him up had given them a sign between them, saying, Whomsoever I shall kiss, that is he; seize him, and lead [him] away safely.
44Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
45And being come, straightway coming up to him, he says, Rabbi, Rabbi; and he covered him with kisses.
45Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
46And they laid their hands upon him and seized him.
46Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
47But a certain one of those who stood by, having drawn his sword, struck the bondman of the high priest, and took off his ear.
47Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
48And Jesus answering said to them, Are ye come out as against a robber, with swords and sticks to take me?
48Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
49I was daily with you teaching in the temple, and ye did not seize me; but [it is] that the scriptures may be fulfilled.
49Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
50And all left him and fled.
50Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
51And a certain young man followed him with a linen cloth cast about his naked [body]; and [the young men] seize him;
51Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy.
52but he, leaving the linen cloth behind [him], fled from them naked.
52Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
53And they led away Jesus to the high priest. And there come together to him all the chief priests and the elders and the scribes.
53Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
54And Peter followed him at a distance, till [he was] within the court of the high priest's palace; and he was sitting with the officers and warming himself in the light [of the fire].
54Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.
55And the chief priests and the whole sanhedrim sought testimony against Jesus to cause him to be put to death, and did not find [any].
55Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
56For many bore false witness against him, and their testimony did not agree.
56Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
57And certain persons rose up and bore false witness against him, saying,
57Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
58*We* heard him saying, *I* will destroy this temple which is made with hands, and in the course of three days I will build another not made with hands.
58Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin'ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
59And neither thus did their testimony agree.
59Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin'izany aza.
60And the high priest, rising up before them all, asked Jesus, saying, Answerest thou nothing? What do these testify against thee?
60Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
61But he was silent, and answered nothing. Again the high priest asked him, and says to him, *Thou* art the Christ, the Son of the Blessed?
61Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
62And Jesus said, *I* am, and ye shall see the Son of man sitting at the right hand of power, and coming with the clouds of heaven.
62Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
63And the high priest, having rent his clothes, says, What need have we any more of witnesses?
63Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
64Ye have heard the blasphemy; what think ye? And they all condemned him to be guilty of death.
64Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.[Gr. blasfemia, izahao Mat. 9.3]
65And some began to spit upon him, and cover up his face, and buffet him, and say to him, Prophesy; and the officers struck him with the palms of their hands.
65Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.[Na. tehina]
66And Peter being below in the palace-court, there comes one of the maids of the high priest,
66Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny mpisoronabe;
67and seeing Peter warming himself, having looked at him, says, And *thou* wast with the Nazarene, Jesus.
67ary nony nahita an'i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
68But he denied, saying, I know not nor understand what thou sayest. And he went out into the vestibule; and a cock crew.
68Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
69And the maid, seeing him, again began to say to those that stood by, This is [one] of them.
69Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;
70And he again denied. And again, after a little, those that stood by said to Peter, Truly thou art [one] of them, for also thou art a Galilean.
70fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin'i Petera hoe: Naman'ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
71But he began to curse and to swear, I know not this man of whom ye speak.
71Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
72And the second time a cock crew. And Peter remembered the word that Jesus said to him, Before [the] cock crow twice, thou shalt deny me thrice; and when he thought thereon he wept.
72Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.