1And that [same] day Jesus went out from the house and sat down by the sea.
1Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.
2And great crowds were gathered together to him, so that going on board ship himself he sat down, and the whole crowd stood on the shore.
2Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
3And he spoke to them many things in parables, saying, Behold, the sower went out to sow:
3Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;
4and as he sowed, some [grains] fell along the way, and the birds came and devoured them;
4ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.
5and others fell upon the rocky places where they had not much earth, and immediately they sprang up out of [the ground] because of not having [any] depth of earth,
5Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6but when the sun rose they were burned up, and because of not having [any] root were dried up;
6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7and others fell upon the thorns, and the thorns grew up and choked them;
7Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.
8and others fell upon the good ground, and produced fruit, one a hundred, one sixty, and one thirty.
8Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
9He that has ears, let him hear.
9Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. [Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]
10And the disciples came up and said to him, Why speakest thou to them in parables?
10Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
11And he answering said to them, Because to you it is given to know the mysteries of the kingdom of the heavens, but to them it is not given;
11Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. [ Gr. nomena] [ Gr. nomena]
12for whoever has, to him shall be given, and he shall be caused to be in abundance; but he who has not, even what he has shall be taken away from him.
12Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
13For this cause I speak to them in parables, because seeing they do not see, and hearing they do not hear nor understand;
13Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
14and in them is filled up the prophecy of Esaias, which says, Hearing ye shall hear and shall not understand, and beholding ye shall behold and not see;
14Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
15for the heart of this people has grown fat, and they have heard heavily with their ears, and they have closed their eyes as asleep, lest they should see with the eyes, and hear with the ears, and understand with the heart, and should be converted, and I should heal them.
15Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
16But blessed are *your* eyes because they see, and your ears because they hear;
16Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.
17for verily I say unto you, that many prophets and righteous [men] have desired to see the things which ye behold and did not see [them], and to hear the things which ye hear and did not hear [them].
17Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.
18*Ye*, therefore, hear the parable of the sower.
18Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:
19From every one who hears the word of the kingdom and does not understand [it], the wicked one comes and catches away what was sown in his heart: this is he that is sown by the wayside.
19Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
20But he that is sown on the rocky places -- this is he who hears the word and immediately receives it with joy,
20Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana;
21but has no root in himself, but is for a time only; and when tribulation or persecution happens on account of the word, he is immediately offended.
21nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
22And he that is sown among the thorns -- this is he who hears the word, and the anxious care of this life, and the deceit of riches choke the word, and he becomes unfruitful.
22Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
23But he that is sown upon the good ground -- this is he who hears and understands the word, who bears fruit also, and produces, one a hundred, one sixty, and one thirty.
23Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
24Another parable set he before them, saying, The kingdom of the heavens has become like a man sowing good seed in his field;
24Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
25but while men slept, his enemy came and sowed darnel amongst the wheat, and went away.
25fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.
26But when the blade shot up and produced fruit, then appeared the darnel also.
26Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.
27And the bondmen of the householder came up and said to him, Sir, hast thou not sown good seed in thy field? whence then has it darnel?
27Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:
28And he said to them, A man [that is] an enemy has done this. And the bondmen said to him, Wilt thou then that we should go and gather it [up]?
28Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
29But he said, No; lest [in] gathering the darnel ye should root up the wheat with it.
29Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
30Suffer both to grow together unto the harvest, and in time of the harvest I will say to the harvestmen, Gather first the darnel, and bind it into bundles to burn it; but the wheat bring together into my granary.
30Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
31Another parable set he before them, saying, The kingdom of the heavens is like a grain of mustard [seed] which a man took and sowed in his field;
31Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;
32which is less indeed than all seeds, but when it is grown is greater than herbs, and becomes a tree, so that the birds of heaven come and roost in its branches.
32fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.
33He spoke another parable to them: The kingdom of the heavens is like leaven, which a woman took and hid in three measures of meal until it had been all leavened.
33Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. [Gr. nafeniny]
34All these things Jesus spoke to the crowds in parables, and without a parable he did not speak to them,
34Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana,
35so that that should be fulfilled which was spoken through the prophet, saying, I will open my mouth in parables; I will utter things hidden from [the] world's foundation.
35mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).
36Then, having dismissed the crowds, he went into the house; and his disciples came to him, saying, Expound to us the parable of the darnel of the field.
36Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.
37But he answering said, He that sows the good seed is the Son of man,
37Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;
38and the field is the world; and the good seed, these are the sons of the kingdom, but the darnel are the sons of the evil [one];
38ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy;
39and the enemy who has sowed it is the devil; and the harvest is [the] completion of [the] age, and the harvestmen are angels.
39ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.
40As then the darnel is gathered and is burned in the fire, thus it shall be in the completion of the age.
40Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.
41The Son of man shall send his angels, and they shall gather out of his kingdom all offences, and those that practise lawlessness;
41Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,
42and they shall cast them into the furnace of fire; there shall be the weeping and the gnashing of teeth.
42dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
43Then the righteous shall shine forth as the sun in the kingdom of their Father. He that has ears, let him hear.
43Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. [Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]
44The kingdom of the heavens is like a treasure hid in the field, which a man having found has hid, and for the joy of it goes and sells all whatever he has, and buys that field.
44Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
45Again, the kingdom of the heavens is like a merchant seeking beautiful pearls;
45Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa;[Gr.perila]
46and having found one pearl of great value, he went and sold all whatever he had and bought it.
46ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[Gr. perila]
47Again, the kingdom of the heavens is like a seine which has been cast into the sea, and which has gathered together of every kind,
47Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
48which, when it has been filled, having drawn up on the shore and sat down, they gathered the good into vessels and cast the worthless out.
48ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
49Thus shall it be in the completion of the age: the angels shall go forth and sever the wicked from the midst of the just,
49Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,
50and shall cast them into the furnace of fire; there shall be the weeping and the gnashing of teeth.
50dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
51Jesus says to them, Have ye understood all these things? They say to him, Yea, [Lord].
51Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
52And he said to them, For this reason every scribe discipled to the kingdom of the heavens is like a man [that is] a householder who brings out of his treasure things new and old.
52Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.
53And it came to pass when Jesus had finished these parables he withdrew thence.
53Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
54And having come into his own country, he taught them in their synagogue, so that they were astonished, and said, Whence has this [man] this wisdom and these works of power?
54Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
55Is not this the son of the carpenter? Is not his mother called Mary, and his brethren James, and Joseph, and Simon, and Judas?
55Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?
56And his sisters, are they not all with us? Whence then has this [man] all these things?
56Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?
57And they were offended in him. And Jesus said to them, A prophet is not without honour, unless in his country and in his house.
57Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.
58And he did not there many works of power, because of their unbelief.
58Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.