1And when it was morning all the chief priests and the elders of the people took counsel against Jesus so that they might put him to death.
1Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.
2And having bound him they led him away, and delivered him up to Pontius Pilate, the governor.
2Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.
3Then Judas, who delivered him up, seeing that he had been condemned, filled with remorse, returned the thirty pieces of silver to the chief priests and the elders,
3Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
4saying, I have sinned [in] having delivered up guiltless blood. But they said, What is that to us? see *thou* [to that].
4ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
5And having cast down the pieces of silver in the temple, he left the place, and went away and hanged himself.
5Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
6And the chief priests took the pieces of silver and said, It is not lawful to cast them into the Corban, since it is [the] price of blood.
6Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
7And having taken counsel, they bought with them the field of the potter for a burying-ground for strangers.
7Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
8Wherefore that field has been called Blood-field unto this day.
8Koa izany no anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
9Then was fulfilled that which was spoken through Jeremias the prophet, saying, And I took the thirty pieces of silver, the price of him that was set a price on, whom [they who were] of the sons of Israel had set a price on,
9Ary tamin'izany dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin'ilay notombanana, dia ilay notombanan'ny Zanak'Isiraely,[Na: Nohajaina]
10and they gave them for the field of the potter, according as [the] Lord commanded me.
10ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy (Jer. 18. 2; Zak. 11. 13).
11But Jesus stood before the governor. And the governor questioned him, saying, Art *thou* the King of the Jews? And Jesus said to him, Thou sayest.
11Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
12And when he was accused of the chief priests and the elders, he answered nothing.
12Ary raha nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
13Then says Pilate to him, Hearest thou not how many things they witness against thee?
13dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
14And he answered him not so much as one word, so that the governor wondered exceedingly.
14Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
15Now at [the] feast the governor was accustomed to release one prisoner to the crowd, whom they would.
15Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.
16And they had then a notable prisoner, named Barabbas.
16Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
17They therefore being gathered together, Pilate said to them, Whom will ye that I release to you, Barabbas, or Jesus who is called Christ?
17Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
18For he knew that they had delivered him up through envy.
18Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.
19But, as he was sitting on the judgment-seat, his wife sent to him, saying, Have thou nothing to do with that righteous [man]; for I have suffered to-day many things in a dream because of him.
19Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
20But the chief priests and the elders persuaded the crowds that they should beg for Barabbas, and destroy Jesus.
20Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.
21And the governor answering said to them, Which of the two will ye that I release unto you? And they said, Barabbas.
21Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
22Pilate says to them, What then shall I do with Jesus, who is called Christ? They all say, Let him be crucified.
22Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy.
23And the governor said, What evil then has he done? But they cried more than ever, saying, Let him be crucified.
23Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy!
24And Pilate, seeing that it availed nothing, but that rather a tumult was arising, having taken water, washed his hands before the crowd, saying, I am guiltless of the blood of this righteous one: see *ye* [to it].
24Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
25And all the people answering said, His blood [be] on us and on our children.
25Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.
26Then he released to them Barabbas; but Jesus, having scourged [him], he delivered up that he might be crucified.
26Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.[Gr. dia nokapohiny; ny teny Grika milaza ny nokapohina tamin'ny fikapohana hoditra lehibe nisy varahina]
27Then the soldiers of the governor, having taken Jesus with [them] to the praetorium, gathered against him the whole band,
27Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.[Gr. pretoria]
28and having taken off his garment, put on him a scarlet cloak;
28Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
29and having woven a crown out of thorns, they put it on his head, and a reed in his right hand; and, bowing the knee before him, they mocked him, saying, Hail, King of the Jews!
29Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
30And having spit upon him, they took the reed and beat [him] on his head.
30Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
31And when they had mocked him, they took the cloak off him, and put his own clothes on him, and led him away to crucify.
31Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
32And as they went forth they found a man of Cyrene, Simon by name; him they compelled to go [with them] that he might bear his cross.
32Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
33And having come to a place called Golgotha, which means Place of a skull,
33Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
34they gave to him to drink vinegar mingled with gall; and having tasted [it], he would not drink.
34dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
35And having crucified him, they parted his clothes amongst [themselves], casting lots.
35Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
36And sitting down, they kept guard over him there.
36Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
37And they set up over his head his accusation written: This is Jesus, the King of the Jews.
37Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.
38Then are crucified with him two robbers, one on the right hand and one on the left.
38Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
39But the passers-by reviled him, shaking their heads
39Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha[Gr. nanao blasfemia; izahao 9. 3]
40and saying, Thou that destroyest the temple and buildest it in three days, save thyself. If thou art Son of God, descend from the cross.
40ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.
41[And] in like manner the chief priests also, mocking, with the scribes and elders, said,
41Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
42He saved others, himself he cannot save. He is King of Israel: let him descend now from the cross, and we will believe on him.
42Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
43He trusted upon God; let him save him now if he will [have] him. For he said, I am Son of God.
43natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.
44And the robbers also who had been crucified with him cast the same reproaches on him.
44Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.
45Now from [the] sixth hour there was darkness over the whole land until [the] ninth hour;
45Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
46but about the ninth hour Jesus cried out with a loud voice, saying, Eli, Eli, lama sabachthani? that is, My God, my God, why hast thou forsaken me?
46Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1).
47And some of those who stood there, when they heard [it], said, This [man] calls for Elias.
47Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio.
48And immediately one of them running and getting a sponge, having filled [it] with vinegar and fixed [it] on a reed, gave him to drink.
48Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.
49But the rest said, Let be; let us see if Elias comes to save him.
49Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
50And Jesus, having again cried with a loud voice, gave up the ghost.
50Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
51And lo, the veil of the temple was rent in two from the top to the bottom, and the earth was shaken, and the rocks were rent,
51Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
52and the tombs were opened; and many bodies of the saints fallen asleep arose,
52ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,
53and going out of the tombs after his arising, entered into the holy city and appeared unto many.
53ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.[Na:ary taorin',etc]
54But the centurion, and they who were with him on guard over Jesus, seeing the earthquake and the things that took place, feared greatly, saying, Truly this [man] was Son of God.
54Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.
55And there were there many women beholding from afar off, who had followed Jesus from Galilee ministering to him,
55Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
56among whom was Mary of Magdala, and Mary the mother of James and Joses, and the mother of the sons of Zebedee.
56Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.
57Now when even was come there came a rich man of Arimathaea, his name Joseph, who also himself was a disciple to Jesus.
57Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.
58*He*, going to Pilate, begged the body of Jesus. Then Pilate commanded the body to be given up.
58Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.
59And Joseph having got the body, wrapped it in a clean linen cloth,
59Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
60and laid it in his new tomb which he had hewn in the rock; and having rolled a great stone to the door of the tomb, went away.
60dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.
61But Mary of Magdala was there, and the other Mary, sitting opposite the sepulchre.
61Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.
62Now on the morrow, which is after the preparation, the chief priests and the Pharisees came together to Pilate,
62Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo
63saying, Sir, we have called to mind that that deceiver said when he was still alive, After three days I arise.
63ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
64Command therefore that the sepulchre be secured until the third day, lest his disciples should come and steal him away, and say to the people, He is risen from the dead; and the last error shall be worse than the first.
64Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
65And Pilate said to them, Ye have a watch: go, secure it as well as ye know how.
65Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
66And they went and secured the sepulchre, having sealed the stone, with the watch [besides].
66Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.