Darby's Translation

Malagasy

Matthew

26

1And it came to pass when Jesus had finished all these sayings, he said to his disciples,
1Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:
2Ye know that after two days the passover takes place, and the Son of man is delivered up to be crucified.
2Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
3Then the chief priests and the elders of the people were gathered together to the palace of the high priest who was called Caiaphas,
3Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
4and took counsel together in order that they might seize Jesus by subtlety and kill him;
4Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;
5but they said, Not in the feast, that there be not a tumult among the people.
5kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.
6But Jesus being in Bethany, in Simon the leper's house,
6Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka,
7a woman, having an alabaster flask of very precious ointment, came to him and poured it out upon his head as he lay at table.
7dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
8But the disciples seeing it became indignant, saying, To what end [was] this waste?
8Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?
9for this might have been sold for much and been given to the poor.
9Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
10But Jesus knowing [it] said to them, Why do ye trouble the woman? for she has wrought a good work toward me.
10Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
11For ye have the poor always with you, but me ye have not always.
11Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
12For in pouring out this ointment on my body, she has done it for my burying.
12Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
13Verily I say to you, Wheresoever these glad tidings may be preached in the whole world, that also which this [woman] has done shall be spoken of for a memorial of her.
13Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
14Then one of the twelve, he who was called Judas Iscariote, went to the chief priests
14Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona
15and said, What are ye willing to give me, and *I* will deliver him up to you? And they appointed to him thirty pieces of silver.
15ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
16And from that time he sought a good opportunity that he might deliver him up.
16Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
17Now on the first [day] of [the feast of] unleavened bread, the disciples came to Jesus, saying, Where wilt thou that we prepare for thee to eat the passover?
17Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
18And he said, Go into the city unto such a one, and say to him, The Teacher says, My time is near, I will keep the passover in thy house with my disciples.
18Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
19And the disciples did as Jesus had directed them, and they prepared the passover.
19Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
20And when the evening was come he lay down at table with the twelve.
20Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy.[Na: (mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy)]
21And as they were eating he said, Verily I say to you, that one of you shall deliver me up.
21Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
22And being exceedingly grieved they began to say to him, each of them, Is it *I*, Lord?
22Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
23But he answering said, He that dips his hand with me in the dish, *he* it is who shall deliver me up.
23Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.
24The Son of man goes indeed, according as it is written concerning him, but woe to that man by whom the Son of man is delivered up; it were good for that man if he had not been born.
24Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
25And Judas, who delivered him up, answering said, Is it *I*, Rabbi? He says to him, *Thou* hast said.
25Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
26And as they were eating, Jesus, having taken [the] bread and blessed, broke [it] and gave [it] to the disciples, and said, Take, eat: this is my body.
26Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
27And having taken [the] cup and given thanks, he gave [it] to them, saying, Drink ye all of it.
27Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[ Na: (ny kapoaka)]
28For this is my blood, that of the [new] covenant, that shed for many for remission of sins.
28fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.[Na: (ny fanekena vaovao)]
29But I say to you, that I will not at all drink henceforth of this fruit of the vine, until that day when I drink it new with you in the kingdom of my Father.
29Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
30And having sung a hymn, they went out to the mount of Olives.
30Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.
31Then saith Jesus to them, All *ye* shall be offended in me during this night. For it is written, I will smite the shepherd, and the sheep of the flock shall be scattered abroad.
31Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).
32But after that I shall be risen, I will go before you to Galilee.
32Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
33And Peter answering said to him, If all shall be offended in thee, *I* will never be offended.
33Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
34Jesus said to him, Verily I say to thee, that during this night, before [the] cock shall crow, thou shalt deny me thrice.
34Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
35Peter says to him, If I should needs die with thee, I will in no wise deny thee. Likewise said all the disciples also.
35Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
36Then Jesus comes with them to a place called Gethsemane, and says to the disciples, Sit here until I go away and pray yonder.
36Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
37And taking with [him] Peter and the two sons of Zebedee, he began to be sorrowful and deeply depressed.
37Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
38Then he says to them, My soul is very sorrowful even unto death; remain here and watch with me.
38Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
39And going forward a little he fell upon his face, praying and saying, My Father, if it be possible let this cup pass from me; but not as *I* will, but as *thou* [wilt].
39Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
40And he comes to the disciples and finds them sleeping, and says to Peter, Thus ye have not been able to watch one hour with me?
40Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
41Watch and pray, that ye enter not into temptation: the spirit indeed [is] ready, but the flesh weak.
41Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
42Again going away a second time he prayed saying, My Father, if this cannot pass [from me] unless I drink it, thy will be done.
42Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
43And coming he found them again sleeping, for their eyes were heavy.
43Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
44And leaving them, he went away again and prayed the third time, saying the same thing.
44Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
45Then he comes to the disciples and says to them, Sleep on now and take your rest; behold, the hour has drawn nigh, and the Son of man is delivered up into the hands of sinners.
45Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?]
46Arise, let us go; behold, he that delivers me up has drawn nigh.
46Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
47And while he was yet speaking, behold, Judas, one of the twelve, came, and with him a great crowd with swords and sticks from the chief priests and elders of the people.
47Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
48Now he that delivered him up had given them a sign, saying, Whomsoever I shall kiss, he it is: seize him.
48Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
49And immediately coming up to Jesus he said, Hail, Rabbi, and covered him with kisses.
49Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
50But Jesus said to him, [My] friend, for what purpose art thou come? Then coming up they laid hands upon Jesus and seized him.
50Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.[Na: haninona eto ianao?]
51And behold, one of those with Jesus stretched out his hand and drew his sword, and smiting the bondman of the high priest took off his ear.
51Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
52Then saith Jesus to him, Return thy sword to its place; for all who take the sword shall perish by the sword.
52Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.
53Or thinkest thou that I cannot now call upon my Father, and he will furnish me more than twelve legions of angels?
53Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
54How then should the scriptures be fulfilled that thus it must be?
54Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
55In that hour Jesus said to the crowds, Are ye come out as against a robber with swords and sticks to take me? I sat daily [with you] teaching in the temple, and ye did not seize me.
55Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
56But all this is come to pass that the scriptures of the prophets may be fulfilled. Then all the disciples left him and fled.
56Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
57Now they that had seized Jesus led [him] away to Caiaphas the high priest, where the scribes and the elders were assembled.
57Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
58And Peter followed him at a distance, even to the palace of the high priest, and entering in sat with the officers to see the end.
58Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
59And the chief priests and the elders and the whole sanhedrim sought false witness against Jesus, so that they might put him to death.
59Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;
60And they found none, though many false witnesses came forward. But at the last two false witnesses came forward
60fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
61and said, *He* said, I am able to destroy the temple of God, and in three days build it.
61Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.
62And the high priest standing up said to him, Answerest thou nothing? What do these witness against thee?
62Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
63But Jesus was silent. And the high priest answering said to him, I adjure thee by the living God that thou tell us if *thou* art the Christ the Son of God.
63Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
64Jesus says to him, *Thou* hast said. Moreover, I say to you, From henceforth ye shall see the Son of man sitting at the right hand of power, and coming on the clouds of heaven.
64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
65Then the high priest rent his clothes, saying, He has blasphemed: what need have we any more of witnesses? behold, now ye have heard the blasphemy.
65Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.[Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
66What think ye? And they answering said, He is liable to the penalty of death.
66Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
67Then they spit in his face, and buffeted him, and some struck him with the palms of their hand,
67Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
68saying, Prophesy to us, Christ, Who is it who struck thee?
68ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
69But Peter sat without in the palace-court; and a maid came to him, saying, And *thou* wast with Jesus the Galilaean.
69Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.
70But he denied before all, saying, I do not know what thou sayest.
70Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
71And when he had gone out into the entrance, another [maid] saw him, and says to those there, This [man] also was with Jesus the Nazaraean.
71Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
72And again he denied with an oath: I do not know the man.
72Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
73And after a little, those who stood [there], coming to [him], said to Peter, Truly *thou* too art of them, for also thy speech makes thee manifest.
73Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
74Then he began to curse and to swear, I know not the man. And immediately [the] cock crew.
74Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
75And Peter remembered the word of Jesus, who had said [to him], Before [the] cock crow thou shalt deny me thrice. And he went forth without, and wept bitterly.
75Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.