1Then shall the kingdom of the heavens be made like to ten virgins that having taken their torches, went forth to meet the bridegroom.
1Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.[Na: fanilony]
2And five of them were prudent and five foolish.
2Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
3They that were foolish took their torches and did not take oil with them;
3Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[Na: fanilony]
4but the prudent took oil in their vessels with their torches.
4ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.[Na: fanilony]
5Now the bridegroom tarrying, they all grew heavy and slept.
5Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
6But in [the] middle of [the] night there was a cry, Behold, the bridegroom; go forth to meet him.
6Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
7Then all those virgins arose and trimmed their torches.
7Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.[Na: fanilony]
8And the foolish said to the prudent, Give us of your oil, for our torches are going out.
8Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.[Na: fanilonay]
9But the prudent answered saying, [We cannot,] lest it might not suffice for us and for you. Go rather to those that sell, and buy for yourselves.
9Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.
10But as they went away to buy, the bridegroom came, and the [ones that were] ready went in with him to the wedding feast, and the door was shut.
10Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
11Afterwards come also the rest of the virgins, saying, Lord, Lord, open to us;
11Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.
12but he answering said, Verily I say unto you, I do not know you.
12Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
13Watch therefore, for ye know not the day nor the hour.
13Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
14For [it is] as [if] a man going away out of a country called his own bondmen and delivered to them his substance.
14Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
15And to one he gave five talents, to another two, and to another one; to each according to his particular ability, and immediately went away out of the country.
15koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
16And he that had received the five talents went and trafficked with them, and made five other talents.
16Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.
17In like manner also he that [had received] the two, [he also] gained two others.
17Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18But he that had received the one went and dug in the earth, and hid the money of his lord.
18Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
19And after a long time the lord of those bondmen comes and reckons with them.
19Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
20And he that had received the five talents came to [him] and brought five other talents, saying, [My] lord, thou deliveredst me five talents; behold, I have gained five other talents besides them.
20Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21His lord said to him, Well, good and faithful bondman, thou wast faithful over a few things, I will set thee over many things: enter into the joy of thy lord.
21Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
22And he also that had received the two talents came to [him] and said, [My] lord, thou deliveredst me two talents; behold, I have gained two other talents besides them.
22Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
23His lord said to him, Well, good and faithful bondman, thou wast faithful over a few things, I will set thee over many things: enter thou into the joy of thy lord.
23Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc]
24And he also that had received the one talent coming to [him] said, [My] lord, I knew thee that thou art a hard man, reaping where thou hadst not sowed, and gathering from where thou hadst not scattered,
24Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao;
25and being afraid I went away and hid thy talent in the earth; behold, thou hast that which is thine.
25dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
26And his lord answering said to him, Wicked and slothful bondman, thou knewest that I reap where I had not sowed, and gather from where I had not scattered;
26Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
27thou oughtest then to have put my money to the money-changers, and when I came I should have got what is mine with interest.
27koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
28Take therefore the talent from him, and give it to him that has the ten talents:
28Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29for to every one that has shall be given, and he shall be in abundance; but from him that has not, that even which he has shall be taken from him.
29Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30And cast out the useless bondman into the outer darkness; there shall be the weeping and the gnashing of teeth.
30Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
31But when the Son of man comes in his glory, and all the angels with him, then shall he sit down upon his throne of glory,
31Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;
32and all the nations shall be gathered before him; and he shall separate them from one another, as the shepherd separates the sheep from the goats;
32ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy;[Gr: zanak'osy]
33and he will set the sheep on his right hand, and the goats on [his] left.
33ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.
34Then shall the King say to those on his right hand, Come, blessed of my Father, inherit the kingdom prepared for you from [the] world's foundation:
34Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
35for I hungered, and ye gave me to eat; I thirsted, and ye gave me to drink; I was a stranger, and ye took me in;
35fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
36naked, and ye clothed me; I was ill, and ye visited me; I was in prison, and ye came to me.
36tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.
37Then shall the righteous answer him saying, Lord, when saw we thee hungering, and nourished thee; or thirsting, and gave thee to drink?
37Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
38and when saw we thee a stranger, and took thee in; or naked, and clothed thee?
38Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
39and when saw we thee ill, or in prison, and came to thee?
39Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?
40And the King answering shall say to them, Verily, I say to you, Inasmuch as ye have done it to one of the least of these my brethren, ye have done it to me.
40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
41Then shall he say also to those on the left, Go from me, cursed, into eternal fire, prepared for the devil and his angels:
41Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
42for I hungered, and ye gave me not to eat; I thirsted, and ye gave me not to drink;
42fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
43I was a stranger, and ye took me not in; naked, and ye did not clothe me; ill, and in prison, and ye did not visit me.
43nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
44Then shall *they* also answer saying, Lord, when saw we thee hungering, or thirsting, or a stranger, or naked, or ill, or in prison, and have not ministered to thee?
44Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
45Then shall he answer them saying, Verily I say to you, Inasmuch as ye have not done it to one of these least, neither have ye done it to me.
45Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
46And these shall go away into eternal punishment, and the righteous into life eternal.
46Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.