Darby's Translation

Malagasy

Nahum

2

1He that dasheth in pieces is come up against thy face: keep the fortress, watch the way, make [thy] loins strong, fortify [thy] power mightily.
1Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
2For Jehovah hath brought again the glory of Jacob, as the glory of Israel; for the wasters have wasted them, and marred their vine-branches.
2Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
3The shield of his mighty men is made red, the valiant men are in scarlet: the chariots [glitter] with the sheen of steel, in the day of his preparation, and the spears are brandished.
3Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.[Na: miverina ho amin'ilay reharehany][Na: toy ny amin'ny reharehany]
4The chariots rush madly in the streets, they justle one against another in the broad ways: the appearance of them is like torches, they run like lightnings.
4Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
5He bethinketh him of his nobles: they stumble in their march; they make haste to the wall thereof, and the shelter is prepared.
5Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
6The gates of the rivers are opened, and the palace melteth away.
6Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
7And it is decreed: she shall be uncovered, she shall be led away, and her maids shall moan as with the voice of doves, drumming upon their breasts.
7Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.[Heb: miempo]
8Nineveh hath been like a pool of water, since the day she existed, yet they flee away. ... Stand! Stand! But none looketh back.
8Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.[Na: Hozaba dia nampitanjahina ka]
9Plunder the silver, plunder the gold; for there is no end of the splendid store of all precious vessels.
9Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
10She is empty, and void, and waste; and the heart melteth, and the knees smite together, and writhing pain is in all loins, and all their faces grow pale.
10Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan'ny fanaka mahafinaritra rehetra.
11Where is [now] the den of the lions, and the feeding-place of the young lions, where the lion, the lioness, [and] the lion's whelp walked, and none made them afraid?
11Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
12The lion tore in pieces enough for his whelps, and strangled for his lionesses, and filled his holes with prey, and his dens with ravin.
12Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben'ny liona tanora ? Ilay nandehanan'ny liona sy ny liom-bavy mbamin'ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
13Behold, I am against thee, saith Jehovah of hosts: and I will burn her chariots into smoke; and the sword shall devour thy young lions, and I will cut off thy prey from the earth; and the voice of thy messengers shall no more be heard.
13Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]
14Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]