Darby's Translation

Malagasy

Nahum

3

1Woe to the bloody city! It is all full of lies [and] violence; the prey departeth not.
1Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
2The crack of the whip, and the noise of the rattling of the wheels, and of the prancing horses, and of the bounding chariots!
2Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
3The horseman springing up, and the glitter of the sword, and the flash of the spear, and a multitude of slain, and a mass of carcases, and no end of corpses: they stumble over their corpses.
3He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,
4-- Because of the multitude of the fornications of the well-favoured harlot, mistress of sorceries, that selleth nations through her fornications, and families through her sorceries,
4Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany.
5behold, I am against thee, saith Jehovah of hosts; and I will uncover thy skirts upon thy face, and I will shew the nations thy nakedness, and the kingdoms thy shame.
5Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
6And I will cast abominable filth upon thee, and make thee vile, and will set thee as a gazing stock.
6Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7And it shall come to pass, [that] all they that see thee shall flee from thee, and shall say, Nineveh is laid waste! Who will bemoan her? whence shall I seek comforters for thee?
7Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao ?
8Art thou better than No-Amon, that was situate among the rivers, [that had] the waters round about her, whose rampart was the sea, [and] of the sea was her wall?
8Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina]
9Ethiopia was her strength, and Egypt, and it was infinite; Phut and the Libyans were her helpers.
9Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy.[Heb. anao]
10She too was carried away, she went into captivity: her infants also were dashed in pieces, at the top of all the streets; and they cast lots for her honourable men, and all her great men were bound with chains.
10Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
11Thou also shalt be drunken: thou shalt be hid; thou also shalt seek a refuge from the enemy.
11Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
12All thy strongholds are [like] fig-trees with the first-ripe figs: if they be shaken, they even fall into the mouth of the eater.
12Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza.
13Behold, thy people in the midst of thee are [as] women: the gates of thy land are set wide open unto thine enemies; the fire devoureth thy bars.
13Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny hidinao.
14Draw thee water for the siege, strengthen thy fortresses; go into the clay, and tread the mortar, make strong the brick-kiln.
14Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
15There shall the fire devour thee; the sword shall cut thee off; it shall devour thee like the cankerworm. Make thyself many as the cankerworm, make thyself many as the locust.
15Any no handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
16Thou hast multiplied thy merchants more than the stars of the heavens; the cankerworm spreadeth himself out and flieth away.
16Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.[Na: mandevona]
17Thy chosen men are as the locusts, and thy captains as swarms of grasshoppers, which camp in the hedges in the cold day: when the sun ariseth they flee away, and their place is not known where they are.
17Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao]
18Thy shepherds slumber, O king of Assyria; thy nobles lie still; thy people are scattered upon the mountains, and no man gathereth them.
18Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?
19There is no healing of thy breach; thy wound is grievous; all that hear the report of thee clap the hands over thee; for upon whom hath not thy wickedness passed continually?
19Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?