1And Jehovah spoke to Moses, saying,
1[Ny trompetra volafotsy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Make thee two trumpets of silver; of beaten work shalt thou make them; and they shall serve for the calling together of the assembly, and for the journeying of the camps.
2Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
3And when they shall blow with them, the whole assembly shall gather to thee at the entrance of the tent of meeting.
3Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
4And if they blow with one, then the princes, the heads of the thousands of Israel, shall gather unto thee.
4Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
5And when ye blow an alarm, the camps that lie eastward shall set forward.
5Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
6And when ye blow an alarm the second time, the camps that lie southward shall set forward; they shall blow an alarm on their setting forward.
6Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
7And when the congregation is to be gathered together, ye shall blow, but ye shall not blow an alarm:
7Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
8the sons of Aaron, the priests, shall blow with the trumpets; and they shall be to you for an everlasting statute throughout your generations.
8Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9And if ye go to war in your land against the enemy that oppresseth you, then ye shall blow an alarm with the trumpets; and ye shall be remembered before Jehovah your God, and ye shall be saved from your enemies.
9Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo.
10And in the day of your gladness, and in your set feasts, and in your new moons, ye shall blow with the trumpets over your burnt-offerings and over your sacrifices of peace-offering; and they shall be to you for a memorial before your God: I am Jehovah your God.
10Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
11And it came to pass in the second year, in the second month, on the twentieth of the month, that the cloud was taken up from off the tabernacle of the testimony.
11[Ny niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i Mosesy tamin i Hobaba. Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
12And the children of Israel set forward according to their journeys out of the wilderness of Sinai; and the cloud stood still in the wilderness of Paran.
12Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
13And they first took their journey, according to the commandment of Jehovah through Moses.
13Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
14The standard of the camp of the children of Judah set forward first according to their hosts, and over his host was Nahshon the son of Amminadab;
14Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
15and over the host of the tribe of the children of Issachar was Nethaneel the son of Zuar;
15Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara.
16and over the host of the tribe of the children of Zebulun was Eliab the son of Helon.
16Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.
17And the tabernacle was taken down; and the sons of Gershon and the sons of Merari set forward bearing the tabernacle.
17Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely.
18And the standard of the camp of Reuben set forward according to their hosts, and over his host was Elizur the son of Shedeur;
18Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony.
19and over the host of the tribe of the children of Simeon was Shelumiel the son of Zurishaddai;
19Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona.
20and over the host of the tribe of the children of Gad was Eliasaph the son of Deuel.
20Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada.
21And the Kohathites set forward bearing the sanctuary: and [the others] set up the tabernacle whilst they came.
21Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
22And the standard of the camp of the children of Ephraim set forward according to their hosts, and over his host was Elishama the son of Ammihud;
22Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
23and over the host of the tribe of the children of Manasseh was Gamaliel the son of Pedahzur;
23Ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Manase.
24and over the host of the tribe of the children of Benjamin was Abidan the son of Gideoni.
24Ary Abidana, zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina.
25And the standard of the camp of the children of Dan set forward, the rear-guard of all the camps according to their hosts, and over his host was Ahiezer the son of Ammishaddai;
25Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
26and over the host of the tribe of the children of Asher was Pagiel the son of Ocran;
26Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera.
27and over the host of the tribe of the children of Naphtali was Ahira the son of Enan.
27Ary Ahira, zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.
28These were the settings forward of the children of Israel according to their hosts: so did they set forward.
28Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
29And Moses said to Hobab, the son of Reuel the Midianite, Moses' father-in-law, We are journeying to the place of which Jehovah said, I will give it unto you: come with us, and we will do thee good; for Jehovah has spoken good concerning Israel.
29Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely.
30And he said to him, I will not go; but to mine own land, and to my kindred will I go.
30Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.
31And he said, Leave me not, I pray thee, because thou knowest where we are to encamp in the wilderness, and thou wilt be to us for eyes.
31Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
32And it shall be, if thou come with us, that whatever good Jehovah doeth unto us, so will we do to thee.
32Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
33And they set forward from the mountain of Jehovah [and went] three days' journey; and the ark of the covenant of Jehovah went before them in the three days' journey, to search out a resting-place for them.
33Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona.
34And the cloud of Jehovah was over them by day when they set forward out of the camp.
34Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany.
35And it came to pass when the ark set forward, that Moses said, Rise up, Jehovah, and let thine enemies be scattered; And let them that hate thee flee before thy face.
35Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.
36And when it rested, he said, Return, Jehovah, unto the myriads of the thousands of Israel.
36Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.