1And it came to pass that when the people murmured, it was evil in the ears of Jehovah; and Jehovah heard it, and his anger was kindled, and the fire of Jehovah burned among them, and consumed [some] in the extremity of the camp.
1[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.
2And the people cried to Moses; and Moses prayed to Jehovah -- and the fire abated.
2Dia nitaraina tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
3And they called the name of that place Taberah; because a fire of Jehovah burned among them.
3Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i Jehovah.
4And the mixed multitude that was among them lusted; and the children of Israel also wept again and said, Who will give us flesh to eat?
4Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
5We remember the fish that we ate in Egypt for nothing; the cucumbers, and the melons, and the leeks, and the onions, and the garlic;
5Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.
6and now our soul is dried up: there is nothing at all but the manna before our eyes.
6Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7And the manna was as coriander seed, and its appearance as the appearance of bdellium.
7Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.
8The people went about, and gathered it, and ground it with hand-mills, or beat it in mortars, and boiled it in pots, and made cakes of it; and the taste of it was as the taste of oil-cakes.
8Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
9And when the dew fell upon the camp by night, the manna fell upon it.
9Ary raha nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
10And Moses heard the people weep throughout their families, every one at the entrance of his tent; and the anger of Jehovah was kindled greatly; it was also evil in the eyes of Moses.
10Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.
11And Moses said to Jehovah, Why hast thou done evil to thy servant, and why have I not found favour in thine eyes, that thou layest the burden of all this people upon me?
11Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?
12Have I conceived all this people, have I brought them forth, that thou sayest to me, Carry them in thy bosom, as the nursing-father beareth the suckling, unto the land which thou didst swear unto their fathers?
12Izaho va no torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?
13Whence should I have flesh to give unto all this people? for they weep unto me, saying, Give us flesh that we may eat!
13Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
14I am not able to bear all this people alone, for it is too heavy for me.
14Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
15And if thou deal thus with me, slay me, I pray thee, if I have found favour in thine eyes, that I may not behold my wretchedness.
15Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
16And Jehovah said to Moses, Gather unto me seventy men of the elders of Israel, whom thou knowest to be the elders of the people, and their officers; and take them to the tent of meeting, and they shall stand there with thee.
16Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
17And I will come down and talk with thee there; and I will take of the Spirit which is upon thee, and will put it upon them; and they shall bear the burden of the people with thee, and thou shalt not bear it alone.
17Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
18And unto the people shalt thou say, Hallow yourselves for to-morrow, and ye shall eat flesh; for ye have wept in the ears of Jehovah, saying, Who will give us flesh to eat? for it was well with us in Egypt; and Jehovah will give you flesh, and ye shall eat.
18Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.
19Not one day shall ye eat, nor two days, nor five days, neither ten days, nor twenty days;
19Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,
20[but] for a whole month, until it come out at your nostrils, and it become loathsome unto you; because that ye have despised Jehovah who is among you, and have wept before him, saying, Why came we forth out of Egypt?
20fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
21And Moses said, The people in whose midst I am are six hundred thousand footmen; and thou sayest, I will give them flesh that they may eat a whole month.
21Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.
22Shall flocks and herds be slaughtered for them, to suffice them? or shall all the fish of the sea be gathered for them, to suffice them?
22Moa ondry aman'osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?
23And Jehovah said to Moses, Hath Jehovah's hand become short? Now shalt thou see whether my word will come to pass unto thee or not.
23Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.
24And Moses went out and told the people the words of Jehovah; and he gathered the seventy men of the elders of the people, and set them round about the tent.
24Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
25And Jehovah came down in a cloud, and spoke to him, and took of the Spirit that was upon him, and put it upon the seventy men, the elders; and it came to pass, that when the Spirit rested on them, they prophesied, but they did not repeat [it].
25Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
26And two men remained in the camp, the name of the one, Eldad, and the name of the other, Medad; and the Spirit rested upon them (and they were among them that were written, but they had not gone out to the tent); and they prophesied in the camp.
26Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
27And there ran a youth, and told Moses, and said, Eldad and Medad are prophesying in the camp.
27Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
28And Joshua the son of Nun, the attendant of Moses, one of his young men, answered and said, My lord Moses, forbid them!
28Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
29But Moses said to him, Enviest thou for my sake? would that all Jehovah's people were prophets, [and] that Jehovah would put his Spirit upon them!
29Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!
30And Moses withdrew into the camp, he and the elders of Israel.
30Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.
31And there went forth a wind from Jehovah, and drove quails from the sea, and cast them about the camp, about a day's journey on this side, and about a day's journey on the other side, round about the camp, and about two cubits above the earth.
31Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.
32And the people rose up all that day, and the whole night, and all the next day, and they gathered the quails: he that gathered little gathered ten homers; and they spread them abroad for themselves round about the camp.
32Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson'iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.
33The flesh was yet between their teeth, before it was chewed, when the wrath of Jehovah was kindled against the people, and Jehovah smote the people with a very great plague.
33Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.
34And they called the name of that place Kibroth-hattaavah; because there they buried the people who lusted.
34Ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana.Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.
35From Kibroth-hattaavah the people journeyed to Hazeroth; and they were at Hazeroth.
35Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.