1And Jehovah spoke to Moses and to Aaron, saying,
1[Ny filaharan'ny tobin'ny Isiraely araka ny fireneny avy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2The children of Israel shall encamp every one by his standard, with the ensign of their father's house; round about the tent of meeting, afar off, opposite to it shall they encamp.
2Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.
3And [for] those encamping eastward toward the sun-rising [there shall be] the standard of the camp of Judah according to their hosts; and the prince of the sons of Judah shall be Nahshon the son of Amminadab;
3Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
4and his host, even those that were numbered of them, were seventy-four thousand six hundred.
4ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
5And those that encamp next unto him shall be the tribe of Issachar; and the prince of the sons of Issachar shall be Nethaneel the son of Zuar;
5Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
6and his host, even those that were numbered thereof, fifty-four thousand four hundred.
6ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
7[With them shall be] the tribe of Zebulun; and the prince of the sons of Zebulun shall be Eliab the son of Helon;
7Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
8and his host, even those that were numbered thereof, fifty-seven thousand four hundred.
8ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
9All that were numbered of the camp of Judah were a hundred and eighty-six thousand four hundred, according to their hosts. They shall set forth first.
9Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
10The standard of the camp of Reuben shall be southward according to their hosts; and the prince of the sons of Reuben shall be Elizur the son of Shedeur;
10Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
11and his host, even those that were numbered thereof, forty-six thousand five hundred.
11ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
12And those that encamp by him shall be the tribe of Simeon; and the prince of the sons of Simeon shall be Shelumiel the son of Zurishaddai;
12Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
13and his host, even those that were numbered of them, fifty-nine thousand three hundred.
13ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
14And [with them shall be] the tribe of Gad; and the prince of the sons of Gad shall be Eliasaph the son of Reuel;
14Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
15and his host, even those that were numbered of them, forty-five thousand six hundred and fifty.
15ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
16All that were numbered of the camp of Reuben were a hundred and fifty-one thousand four hundred and fifty, according to their hosts. And they shall set forth second.
16Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
17And the tent of meeting shall set forth, the camp of the Levites in the midst of the camps; as they encamp, so shall they set forth, every man in his place, according to their standards.
17Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany.
18The standard of the camp of Ephraim according to their hosts shall be westward; and the prince of the sons of Ephraim shall be Elishama the son of Ammihud;
18Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
19and his host, even those that were numbered of them, forty thousand five hundred.
19ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
20And by him shall be the tribe of Manasseh; and the prince of the sons of Manasseh shall be Gamaliel the son of Pedahzur;
20Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;
21and his host, even those that were numbered of them, thirty-two thousand two hundred.
21ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
22And [with them shall be] the tribe of Benjamin; and the prince of the sons of Benjamin shall be Abidan the son of Gideoni;
22Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
23and his host, even those that were numbered of them, thirty-five thousand four hundred.
23ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
24All that were numbered of the camp of Ephraim were a hundred and eight thousand one hundred, according to their hosts. And they shall set forth third.
24Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
25The standard of the camp of Dan shall be northward according to their hosts; and the prince of the sons of Dan shall be Ahiezer the son of Ammishaddai;
25Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
26and his host, even those that were numbered of them, sixty-two thousand seven hundred.
26ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
27And those that encamp by him shall be the tribe of Asher; and the prince of the sons of Asher shall be Pagiel the son of Ocran;
27Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;
28and his host, even those that were numbered of them, forty-one thousand five hundred.
28ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29And [with them shall be] the tribe of Naphtali; and the prince of the sons of Naphtali shall be Ahira the son of Enan;
29Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30and his host, even those that were numbered of them, fifty-three thousand four hundred.
30ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31All that were numbered of the camp of Dan were a hundred and fifty-seven thousand six hundred. They shall set forth last according to their standards.
31Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
32These are those that were numbered of the children of Israel, according to their fathers' houses: all those that were numbered of the camps, according to their hosts, were six hundred and three thousand five hundred and fifty.
32Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.
33But the Levites were not numbered among the children of Israel; as Jehovah had commanded Moses.
33Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
34And the children of Israel did according to all that Jehovah had commanded Moses: so they encamped according to their standards, and so they journeyed, every one according to their families, according to their fathers' houses.
34Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.