Darby's Translation

Malagasy

Numbers

3

1And these are the generations of Aaron and Moses in the day that Jehovah spoke with Moses on mount Sinai.
1[Ny nandaminana ny firenen'i Levy, sy ny nitobiany, ary ny zavatra hotandremany] Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2And these are the names of the sons of Aaron: Nadab the firstborn, and Abihu, Eleazar and Ithamar.
2Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3These are the names of the sons of Aaron, the anointed priests, who were consecrated to exercise the priesthood.
3Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
4And Nadab and Abihu died before Jehovah when they offered strange fire before Jehovah in the wilderness of Sinai, and they had no sons; and Eleazar and Ithamar exercised the priesthood in the presence of Aaron their father.
4Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy.
5And Jehovah spoke to Moses, saying,
5Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6Bring the tribe of Levi near, and present them before Aaron the priest, that they may minister unto him;
6Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy.
7and they shall keep his charge, and the charge of the whole assembly, before the tent of meeting, to do the service of the tabernacle.
7Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
8And they shall keep all the utensils of the tent of meeting, and the charge of the children of Israel, to do the service of the tabernacle.
8Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
9And thou shalt give the Levites to Aaron and to his sons: they are wholly given to him out of the children of Israel.
9Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo.
10And Aaron and his sons shalt thou appoint that they may attend to their priest's office; and the stranger that cometh near shall be put to death.
10Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
11And Jehovah spoke to Moses, saying,
11Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12And I, behold, I have taken the Levites from among the children of Israel instead of every firstborn that breaketh open the womb among the children of Israel, and the Levites shall be mine;
12Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13for every firstborn is mine. On the day that I smote all the firstborn in the land of Egypt, I hallowed unto me all the firstborn in Israel, both of man and beast; mine shall they be: I am Jehovah.
13satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14And Jehovah spoke to Moses in the wilderness of Sinai, saying,
14Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
15Number the sons of Levi according to their fathers' houses, after their families; every male from a month old and upward shalt thou number them.
15Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
16And Moses numbered them, according to the commandment of Jehovah, -- as he had been commanded.
16Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17And these are the sons of Levi by their names: Gershon, and Kohath, and Merari.
17Ary izao no zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18And these are the names of the sons of Gershon according to their families: Libni and Shimei.
18Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19And the sons of Kohath according to their families: Amram and Izhar, Hebron and Uzziel.
19Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
20And the sons of Merari according to their families: Mahli and Mushi. These are the families of the Levites according to their fathers' houses.
20Ary ny zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka ny fianakaviany.
21Of Gershon, the family of the Libnites, and the family of the Shimites: these are the families of the Gershonites.
21Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.
22Those that were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, those that were numbered of them were seven thousand five hundred.
22Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
23The families of the Gershonites encamped behind the tabernacle westward.
23Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.
24And the prince of the father's house of the Gershonites was Eliasaph the son of Lael.
24Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.
25And the charge of the sons of Gershon in the tent of meeting was: the tabernacle and the tent, its covering, and the curtain of the entrance to the tent of meeting.
25Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26And the hangings of the court, and the curtain of the entrance to the court, which surrounds the tabernacle and the altar, and the cords thereof for all its service.
26ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27And of Kohath, the family of the Amramites, and the family of the Izharites, and the family of the Hebronites, and the family of the Uzzielites: these are the families of the Kohathites.
27Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.
28According to the number of all the males, from a month old and upward, there were eight thousand six hundred, who kept the charge of the sanctuary.
28Ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.
29The families of the sons of Kohath encamped on the side of the tabernacle southward.
29Ny fokon'ny zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.
30And the prince of the father's house of the families of the Kohathites was Elizaphan the son of Uzziel.
30Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.
31And their charge was the ark, and the table, and the candlestick, and the altars, and the utensils of the sanctuary with which they ministered, and the curtain, and all that belongs to its service.
31Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
32And the prince of princes of the Levites was Eleazar the son of Aaron the priest: he had the oversight of them that kept the charge of the sanctuary.
32Ary ny lehiben'ny lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay lehiben'ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.
33Of Merari was the family of the Mahlites, and the family of the Mushites: these are the families of Merari.
33Avy tamin'i Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.
34And those that were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, were six thousand two hundred.
34Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
35And the prince of the father's house of the families of Merari was Zuriel the son of Abihail. They encamped on the side of the tabernacle northward.
35Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.
36And the charge of the sons of Merari consisted in the oversight of the boards of the tabernacle, and its bars, and its pillars, and its bases, and all its furniture, and all that belongs to its service,
36Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37and the pillars of the court round about, and their bases, and their pegs, and their cords.
37ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
38And those who encamped before the tabernacle eastward, before the tent of meeting toward the sunrising, were Moses, and Aaron and his sons, who kept the charge of the sanctuary for the charge of the children of Israel; and the stranger that cometh near shall be put to death.
38Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
39All that were numbered of the Levites, whom Moses and Aaron numbered at the commandment of Jehovah, according to their families, all the males from a month old and upward, were twenty-two thousand.
39Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
40And Jehovah said to Moses, Number all the first-born males of the children of Israel from a month old and upward, and take the number of their names.
40Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41And thou shalt take the Levites for me (I am Jehovah) instead of all the firstborn among the children of Israel; and the cattle of the Levites, instead of all the firstlings among the cattle of the children of Israel.
41Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
42And Moses numbered, as Jehovah had commanded him, all the firstborn among the children of Israel.
42Dia nalamin'i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
43And all the firstborn males, by the number of the names, from a month old and upward, according to their numbering, were twenty-two thousand two hundred and seventy-three.
43Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
44And Jehovah spoke to Moses, saying,
44Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
45Take the Levites instead of all the firstborn among the children of Israel, and the cattle of the Levites instead of their cattle; and the Levites shall be mine: I am Jehovah.
45Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46And for those that are to be ransomed, the two hundred and seventy-three of the firstborn of the children of Israel, which are in excess over the Levites,
46Ary ny amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47thou shalt take five shekels apiece by the poll, according to the shekel of the sanctuary shalt thou take them, -- twenty gerahs the shekel;
47dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
48and thou shalt give the money unto Aaron and unto his sons for those in excess among them who are to be ransomed.
48Dia homenao an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.
49And Moses took the ransom-money from them that were over and above those who were ransomed by the Levites;
49Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50of the firstborn of the children of Israel he took the money, a thousand three hundred and sixty-five [shekels], according to the shekel of the sanctuary.
50tamin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
51And Moses gave the money of them that were ransomed to Aaron and to his sons, according to the commandment of Jehovah, -- as Jehovah had commanded Moses.
51dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.