1And the children of Israel journeyed, and encamped in the plains of Moab on the other side of the Jordan from Jericho.
1Ary ny Zanak'Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
2And Balak the son of Zippor saw all that Israel had done to the Amorites.
2[Ny nampanalan'i Balaka an'i Balama] Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.
3And Moab was much afraid of the people, because they were many; and Moab was distressed because of the children of Israel.
3Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak'Isiraely.
4And Moab said to the elders of Midian, Now will this company lick up all that is round about us, as an ox licks up the green herb of the field. Now Balak the son of Zippor was king of Moab at that time.
4Dia hoy izy tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro izany.
5And he sent messengers to Balaam the son of Beor, to Pethor, which is on the river in the land of the children of his people, to call him, saying, Behold, a people is come out from Egypt; behold, they cover the face of the land, and they abide over against me.
5Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
6And now come, I pray thee, curse me this people; for they are mightier than I: perhaps I may be able to smite them, and drive them out of the land; for I know that he whom thou blessest is blessed, and he whom thou cursest is cursed.
6koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
7And the elders of Moab and the elders of Midian departed, having the rewards of divination in their hand. And they came to Balaam, and spoke to him the words of Balak.
7Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.
8And he said to them, Lodge here this night, and I will bring you word again, according as Jehovah shall speak unto me. And the princes of Moab abode with Balaam.
8Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.
9And God came to Balaam, and said, Who are these men with thee?
9Ary Andriamanitra nankao amin'i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
10And Balaam said to God, Balak the son of Zippor, king of Moab, hath sent unto me,
10Dia hoy Balama tamin'Andriamanitra: Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
11Behold, a people is come out of Egypt, and it covers the face of the land. Now come, curse me them: perhaps I may be able to fight against them, and drive them out.
11Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
12And God said to Balaam, Thou shalt not go with them; thou shalt not curse the people; for they are blessed.
12Ary hoy Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
13And Balaam rose up in the morning, and said to the princes of Balak, Go into your land; for Jehovah refuses to give me leave to go with you.
13Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
14And the princes of Moab rose up; and they went to Balak, and said, Balaam has refused to come with us.
14Ary niainga ireo andriandahin'i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
15Then sent Balak yet again princes, more, and more honourable than they.
15Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
16And they came to Balaam, and said to him, Thus says Balak the son of Zippor: Suffer not thyself, I pray thee, to be restrained from coming to me;
16Dia tonga tao amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
17for very highly will I honour thee, and whatever thou shalt say to me will I do; come therefore, I pray thee, curse me this people.
17fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
18And Balaam answered and said to the servants of Balak, If Balak give me his house full of silver and gold, I could not go beyond the commandment of Jehovah my God, to do less or more.
18Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
19And now, I pray you, abide ye also here this night, and I shall know what Jehovah will say to me further.
19Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain'i Jehovah amiko koa.
20Then God came to Balaam at night, and said to him, If the men have come to call thee, rise up, [and] go with them; but only what I shall say unto thee shalt thou do.
20Ary nony alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
21And Balaam rose up in the morning, and saddled his ass, and went with the princes of Moab.
21Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo andriandahin'i Moaba.
22And God's anger was kindled because he went; and the Angel of Jehovah set himself in the way to withstand him. Now he was riding upon his ass, and his two young men were with him.
22Ary nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
23And the ass saw the Angel of Jehovah standing in the way, and his sword drawn in his hand; and the ass turned aside out of the way, and went into the field, and Balaam smote the ass to turn her into the way.
23Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.
24And the Angel of Jehovah stood in a hollow of the vineyards, a wall being on this side, and a wall on that side.
24Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan'ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
25And the ass saw the Angel of Jehovah, and she pressed herself against the wall, and crushed Balaam's foot against the wall; and he smote her again.
25Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
26Then the Angel of Jehovah went still further, and stood in a narrow place, where was no way to turn either to the right hand or to the left.
26Ary mbola nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
27And the ass saw the Angel of Jehovah, and lay down under Balaam; and Balaam's anger was kindled, and he smote the ass with his staff.
27Ary ny boriky nahita ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.
28And Jehovah opened the mouth of the ass, and she said to Balaam, What have I done to thee, that thou hast smitten me these three times?
28Dia nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
29And Balaam said to the ass, Because thou hast mocked me: I would there were a sword in my hand, for now would I kill thee!
29Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
30And the ass said to Balaam, Am not I thine ass, upon which thou hast ridden ever since I was thine to this day? was I ever wont to do so to thee? And he said, No.
30Ary hoy ny boriky tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
31Then Jehovah opened the eyes of Balaam, and he saw the Angel of Jehovah standing in the way, and his sword drawn in his hand; and he bowed and prostrated himself on his face.
31Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
32And the Angel of Jehovah said to him, Wherefore hast thou smitten thine ass these three times? behold, it was I who came forth to withstand thee, for the way [thou walkest in] is for ruin before me.
32Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
33And the ass saw me, and turned from me these three times; had she not turned from me, I had now certainly slain thee, and saved her alive.
33Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
34And Balaam said to the Angel of Jehovah, I have sinned; for I knew not that thou stoodest in the way against me; and now, if it be evil in thine eyes, I will get me back again.
34Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
35And the Angel of Jehovah said to Balaam, Go with the men, but only the word that I shall speak unto thee, that shalt thou speak. And Balaam went with the princes of Balak.
35Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.
36And when Balak heard that Balaam came, he went out to meet him, to the city of Moab, which is on the border of the Arnon, which is at the extremity of the border.
36Ary nony ren'i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanànan'i Moaba, teo amin'ny fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.
37And Balak said to Balaam, Did I not earnestly send to thee to call thee? why didst thou not come to me? am I not surely able to honour thee?
37Ary hoy Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
38And Balaam said to Balak, Lo, I am come to thee; but shall I now be able at all to say anything? the word that God puts in my mouth, that shall I speak.
38Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
39And Balaam went with Balak, and they came to Kirjath-huzoth.
39Dia nandeha Balama niaraka tamin'i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
40And Balak offered oxen and small cattle, and sent to Balaam and to the princes that were with him.
40Ary Balaka namono omby sy ondry aman'osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.[Ny oha-teny nataon'i Balama] Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.
41And it came to pass on the morrow, that Balak took Balaam, and brought him up to the high places of Baal, and he saw from thence the extremity of the people.
41[Ny oha-teny nataon'i Balama] Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.