Darby's Translation

Malagasy

Numbers

23

1And Balaam said to Balak, Build me here seven altars, and prepare me here seven bullocks and seven rams.
1Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
2And Balak did as Balaam had said; and Balak and Balaam offered up a bullock and a ram on [each] altar.
2Dia narahin'i Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
3And Balaam said to Balak, Stand by thy burnt-offering, and I will go; perhaps Jehovah will come to meet me; and whatever he shews me I will tell thee. And he went to a hill.
3Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
4And God met Balaam; and [Balaam] said to him, I have disposed seven altars, and have offered up a bullock and a ram upon [each] altar.
4Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.
5And Jehovah put a word in Balaam's mouth, and said, Return to Balak, and thus shalt thou speak.
5Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.
6And he returned to him, and behold, he was standing by his burnt-offering, he, and all the princes of Moab.
6Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.
7And he took up his parable, and said, Balak the king of Moab hath brought me from Aram, from the mountains of the east: Come, curse me Jacob, and come, denounce Israel!
7Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
8How shall I curse whom ùGod hath not cursed? or how shall I denounce whom Jehovah doth not denounce?
8Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?
9For from the top of the rocks I see him, and from the hills I behold him: Lo, [it is] a people that shall dwell alone and shall not be reckoned among the nations.
9Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
10Who can count the dust of Jacob, and the number of the fourth part of Israel? Let my soul die the death of the righteous, and let my end be like his!
10Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
11And Balak said to Balaam, What hast thou done to me? I took thee to curse mine enemies, and behold, thou hast blessed them altogether.
11Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
12And he answered and said, Must I not take heed to speak that which Jehovah puts in my mouth?
12Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?
13And Balak said to him, Come, I pray thee, with me to another place, from whence thou wilt see them; thou shalt see only the extremity of them and shalt not see them all, and curse me them from thence.
13Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
14And he took him to the watchmen's field, to the top of Pisgah, and built seven altars, and offered up a bullock and a ram on [each] altar.
14Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
15And [Balaam] said to Balak, Stand here by thy burnt-offering, and I will go to meet yonder.
15Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin'i Jehovah.
16And Jehovah met Balaam, and put a word in his mouth, and said, Return to Balak, and thus shalt thou speak.
16Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.
17And he came to him, and behold, he was standing by his burnt-offering, and the princes of Moab with him; and Balak said to him, What has Jehovah spoken?
17Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?
18Then he took up his parable and said, Rise up, Balak, and hear! hearken unto me, son of Zippor!
18Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak'i Zipora;
19ùGod is not a man, that he should lie; neither a son of man, that he should repent. Shall he say and not do? and shall he speak and not make it good?
19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
20Behold, I have received [mission] to bless; and he hath blessed, and I cannot reverse it.
20Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
21He hath not beheld iniquity in Jacob, neither hath he seen wrong in Israel; Jehovah his God is with him, and the shout of a king is in his midst.
21Tsy mijery faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re eo aminy.
22ùGod brought him out of Egypt; he hath as it were the strength of a buffalo.
22Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
23For there is no enchantment against Jacob, neither is there any divination against Israel. At this time it shall be said of Jacob and of Israel, What hath ùGod wrought!
23Fa tsy misy fisikidianana eo amin'i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i Jehovah.
24Lo, the people will rise up as a lioness, and lift himself up as a lion. He shall not lie down until he have eaten the prey and drunk the blood of the slain.
24Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.
25And Balak said to Balaam, Neither curse them at all, nor bless them at all.
25Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
26And Balaam answered and said to Balak, Did I not tell thee, saying, All that Jehovah shall speak, that will I do?
26Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?
27And Balak said to Balaam, Come, I pray thee, I will bring thee to another place; perhaps it will be right in the sight of God that thou curse me them from thence.
27Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
28And Balak brought Balaam to the top of Peor, which looks over the surface of the waste.
28Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.
29And Balaam said to Balak, Build me here seven altars, and prepare me here seven bullocks and seven rams.
29Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
30And Balak did as Balaam had said, and offered up a bullock and a ram on each altar.
30Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.