Darby's Translation

Malagasy

Philippians

1

1Paul and Timotheus, bondmen of Jesus Christ, to all the saints in Christ Jesus who are in Philippi, with [the] overseers and ministers;
1[Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy; [ Gr. episkopo]
2grace to you, and peace from God our Father and [the] Lord Jesus Christ.
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3I thank my God for my whole remembrance of you,
3Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo
4constantly in my every supplication, making the supplication for you all with joy,
4mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
5because of your fellowship with the gospel, from the first day until now;
5noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
6having confidence of this very thing, that he who has begun in you a good work will complete it unto Jesus Christ's day:
6ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
7as it is righteous for me to think this as to you all, because ye have *me* in your hearts, and that both in my bonds and in the defence and confirmation of the glad tidings ye are all participators in my grace.
7fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
8For God is my witness how I long after you all in [the] bowels of Christ Jesus.
8Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.
9And this I pray, that your love may abound yet more and more in full knowledge and all intelligence,
9Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
10that ye may judge of and approve the things that are more excellent, in order that ye may be pure and without offence for Christ's day,
10mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo, [ Na: samy hafa]
11being complete as regards the fruit of righteousness, which [is] by Jesus Christ, to God's glory and praise.
11sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
12But I would have you know, brethren, that the circumstances in which I am have turned out rather to the furtherance of the glad tidings,
12[Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
13so that my bonds have become manifest [as being] in Christ in all the praetorium and to all others;
13ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra; [ Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria]
14and that the most of the brethren, trusting in [the] Lord through my bonds, dare more abundantly to speak the word of God fearlessly.
14ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
15Some indeed also for envy and strife, but some also for good will, preach the Christ.
15Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;
16These indeed out of love, knowing that I am set for the defence of the glad tidings;
16fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
17but those out of contention, announce the Christ, not purely, supposing to arouse tribulation for my bonds.
17fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
18What is it then? at any rate, in every way, whether in pretext or in truth, Christ is announced; and in this I rejoice, yea, also I will rejoice;
18Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
19for I know that this shall turn out for me to salvation, through your supplication and [the] supply of the Spirit of Jesus Christ;
19Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin'i Jesosy Kristy, [ Na: fanomezan']
20according to my earnest expectation and hope, that in nothing I shall be ashamed, but in all boldness, as always, now also Christ shall be magnified in my body whether by life or by death.
20araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
21For for me to live [is] Christ, and to die gain;
21Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
22but if to live in flesh [is my lot], this is for me worth the while: and what I shall choose I cannot tell.
22Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
23But I am pressed by both, having the desire for departure and being with Christ, [for] [it is] very much better,
23fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
24but remaining in the flesh [is] more necessary for your sakes;
24kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
25and having confidence of this, I know that I shall remain and abide along with you all, for your progress and joy in faith;
25Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
26that your boasting may abound in Christ Jesus through me by my presence again with you.
26mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako atỳ aminareo indray.
27Only conduct yourselves worthily of the glad tidings of the Christ, in order that whether coming and seeing you, or absent, I may hear of what concerns you, that ye stand firm in one spirit, with one soul, labouring together in the same conflict with the faith of the glad tidings;
27Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
28and not frightened in anything by the opposers, which is to them a demonstration of destruction, but of your salvation, and that from God;
28ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra.
29because to you has been given, as regards Christ, not only the believing on him but the suffering for him also,
29Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
30having the same conflict which ye have seen in me, and now hear of in me.
30dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.