1If then [there be] any comfort in Christ, if any consolation of love, if any fellowship of [the] Spirit, if any bowels and compassions,
1[Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
2fulfil my joy, that ye may think the same thing, having the same love, joined in soul, thinking one thing;
2dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
3[let] nothing [be] in the spirit of strife or vain glory, but, in lowliness of mind, each esteeming the other as more excellent than themselves;
3tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
4regarding not each his own [qualities], but each those of others also.
4Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
5For let this mind be in you which [was] also in Christ Jesus;
5Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
6who, subsisting in the form of God, did not esteem it an object of rapine to be on an equality with God;
6Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
7but emptied himself, taking a bondman's form, taking his place in [the] likeness of men;
7fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
8and having been found in figure as a man, humbled himself, becoming obedient even unto death, and [that the] death of [the] cross.
8ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
9Wherefore also God highly exalted him, and granted him a name, that which is above every name,
9Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
10that at the name of Jesus every knee should bow, of heavenly and earthly and infernal [beings],
10mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
11and every tongue confess that Jesus Christ [is] Lord to God [the] Father's glory.
11sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
12So that, my beloved, even as ye have always obeyed, not as in my presence only, but now much rather in my absence, work out your own salvation with fear and trembling,
12Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
13for it is God who works in you both the willing and the working according to [his] good pleasure.
13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
14Do all things without murmurings and reasonings,
14Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
15that ye may be harmless and simple, irreproachable children of God in the midst of a crooked and perverted generation; among whom ye appear as lights in [the] world,
15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
16holding forth [the] word of life, so as to be a boast for me in Christ's day, that I have not run in vain nor laboured in vain.
16mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
17But if also I am poured out as a libation on the sacrifice and ministration of your faith, I rejoice, and rejoice in common with you all.
17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
18In like manner do *ye* also rejoice, and rejoice with me.
18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
19But I hope in [the] Lord Jesus to send Timotheus to you shortly, that *I* also may be refreshed, knowing how ye get on.
19[Ny amin'i Timoty sy Epafrodito] Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
20For I have no one like-minded who will care with genuine feeling how ye get on.
20Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. [ Na: aminy]
21For all seek their own things, not the things of Jesus Christ.
21Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
22But ye know the proof of him, that, as a child a father, he has served with me in the work of the glad tidings.
22izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
23Him therefore I hope to send immediately, as soon as I shall see how it goes with me:
23Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
24but I trust in [the] Lord that I myself also shall soon come;
24Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
25but I have thought it necessary to send to you Epaphroditus, my brother and fellow-workman and fellow-soldier, but your messenger and minister to my need,
25Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko. [ Gr. apostolinareo]
26since he had a longing desire after you all, and was distressed because ye had heard that he was sick;
26Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
27for he was also sick close to death, but God had mercy on him, and not indeed on him alone, but also on me, that I might not have sorrow upon sorrow.
27Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
28I have sent him therefore the more diligently, that seeing him ye might again rejoice, and that *I* might be the less sorrowful.
28Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
29Receive him therefore in [the] Lord with all joy, and hold such in honour;
29Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
30because for the sake of the work he drew near even to death, venturing his life that he might fill up what lacked in your ministration toward me.
30fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.